NY Fahotana

 

FAMPIANARANA KATEKOMENA: LESONA 6

NY FAHOTANA

I-                    INONA NO ATAO HOE FAHOTANA?

Ny hevitry ny fahotàna voalohany raha ny Baiboly no jerena ary indrindra ny voambolana manambara izany dia ireto:

-          Testamenta taloha: ny fahotàna dia “tsy fahatratrarana ny tanjona izay nokendrena”

-          Testamenta vaovao: “fahadisoana, fahadisoan-kevitra, diso lalana, manao ratsy”

Raha adika izany, ny fahotàna dia tsy hafa fa fahadisoana nahazo ny olona , ka nanjary tsy nahatratra ny tanjona izay nokendrena izy, izany hoe ny tanjona nikendren’Andriamanitra azy. Andriamanitra masina, izay tsy hafa fa Raintsika sady Mpamorona antsika, nanana ny fikasàny, ny lalàny sy ny sitrapony, ny fahotàna anefa dia niteraka elanelana, teo amin’ny olona sy Andriamanitra, ary andraikitry ny olona samirery izany fa tsy misy mihitsy antony avy amin’Andriamanitra. Andriamanitra dia masina, ary ny fahotàna dia tsy hafa fa fahalotoana eo anatrehany, ary efitra mampisaraka amin’Andriamanitra (Isaia 59:1,2). Hitantsika mazava tsara ao amin’ny Gen 3 ny fiandohan’ny ota sy ny vokatr’izany teo amin’ny olombelona.

II-                  NY MAHATONGA NY FAHOTANA

Mipetraka ary ny fanontaniana: inona no antony mahatonga ny fahaotàna ao anatin’ny olona iray? Tsy maintsy mijery ihany isika ny nahatonga izany voalohany tao amin’ny saha Edena; izany hoe, ny antony nahalatsaka an’I Adama sy Eva tamin’izany.

Ny Filàna ao anatin’ny olona tsirairay no nahatonga izany: voalaza fa ny hazo dia mahatsirirtra sy maha te hihinana ary hazo mahahendry; Adama sy Eva araka izany dia efa te hihinana mafy an’io voankazo io, koa Satàna dia nanararaotra fotsiny ihany an’izany fitiavan’I Adama sy Eva izany.

Zavatra telo ary no hita eto amin’ny Gen 3 ho anton’ny fahotàna dia:

-          Ny filan’ny maso (hazo mahatsiriritra)

-          Ny filan’ny nofo (hazo maha-te hihinana)

-          Ny rehak’izao fiainana izao na ny voninahitra (hazo mampahendry)

Ny filàna arak’izany no mitarika ny olona ho amin’ny fakam-panahy, izany hoe na iza na iza tsy mahafehy ny filàna ao aminy,, dia manintona avy hatrany ny mpaka fanahy izy, dia Satàna izany. Amin’ny olona mitady hampanjaka ny filàna ao anatiny, dia tahaka ny misy andriam-by mahery vaika misintona an’I Satàna hankao aminy, ary rehefa tonga eo ny fahavalo, manamafy izay zavatra efa kotrehina ao anaty, dia sarotra ho an’ny olona ny hahatohitra an’izany. Vakio ny I Jao 2: 16; Jak 1:12-15; 4:1.

Tsara ho fantatra sy apetraka tsara ao an-tsaintsika ary, fa tsy azo ankinina amin’ny hafa na ny nataon’ny hafa ny maha-latsaka antsika amin’ny fahotàna, fa antony avy amintsika ihany izany, dia avy ao anatintsika. Izay no nahavoa an’I Adama sy Eva, satria rehefa nanontaniana izy ireo ny antony nihinanany ilay voankazo dia nailiny tamin’ny hafa izany. Ny tsirairay no tompon’andraikitra tamin’ny fahotàna nataony fa tsy ny hafa velively.  Izy ireny dia tahaka ny nahazo fankatoavana sy fanasàna tamintsika matoa tafiditra ao amintsika na niaraka amintsika, ary ao anatin’izay ny devoly. Tsy ny devoly akory no tompon’andraikitra amin’ny fahalavoan’ny olona iray amin’ny fahotàna, ary tsy azo ailika aminy na oviana na oviana izany. Raha nisy ny fifanarahana voalohany tamin’I Jehovah, ny amin’ny lalàna sy ny toro-marika rehetra tao amin’ny saha Edena, dia tsarovy fa Satàna tsy tao. Andriamanitra sy ny olombelona ihany no nanao fanekena tao hoe: ity no azo hohanina, iry kosa tsy azo. Noho izany, izay tsy tao anatin’ny fifanekena,  tsy azo hazonina ho tompon’antoka, fa izay nifanaiky ihany. Noho izany ary, anajaran’ny olona no mihazona tsar any fanekena sy ny fifanarahana amin’Andriamanitra, ka na inona na inna antony izay heverintsika fa  nahalavo antsika avy any ivelany, dia tsy manamarina an’izany velively Andriamanitra. Tompon’andraikitra zato isan-jato ny olona tsirairay, hoy Rija RASOLONDRAIBE.

Tsara hazavaina tsara aloha, fa ny filàna anie tsy fahotàna aloha e: isika mantsy tsy maintsy mila sakafo, torimaso, vola, fitafiana, vady…Fa izao no tsarovy, rehefa tsy voafehy izy, izany hoe mihoatra ny fifanarahana na ny Contrat amin’Andriamanitra, dia mivadika fahotàna izy amin’izay. Izany no tokony hijerena tsara ara-tSoratra Masina an’izay Lalàna na fitsipika itondran’Andriamanitra ny fiainana  mba tsy hihoa-pefy isika.

III-                NY VOKATRY NY FAHOTANA

Araka ny hitantsika ao amin’ny Gen 3 ihany, ny fahotàna dia misy vokany mavesa-danja sy ratsy  amin’ireto zavatra ireto:

1)      Fifandraisana amin’Andriamanitra: tonga simba ny fifandraisana amin’Andriamanitra; satria tsy nanaraka ny fifanarahana taminy ny olombelona. Tsy natoky ny zanak’olombelona intsony Jehovah, ka niahiahy hoe “sao ihinanany koa ny hazon’aina”, koa dia tapa-kevitra Andriaman,itra fa handroaka an’I Adama sy Eva tsy hitoetra intsony tao amin’ny Saha Edena. Ny vokatry ny fahotàna voalohany izany dia ny fisarahana amin’Andriamanitra vokatr’izay fahasimban’ny fifandraisana aminy izany.

2)      Fiainana maha olombelona: Very ny hasina maha-zanak’Andriamanitra azy, toa nitovy amin’ireo zava-boahary hafa izy izay monina any anaty ala, nitanjaka, tsy teo anatrehan’Andriamanitra intsony. Nanjary nifampiampanga ny olombelona, tsy nilamina intsony ny fifandraisana ary dia teraka mihitsy aza ny ady sy ny fifamonoana aty amin’ny Gen 4. Ny fahotàna izay nahatonga azy ho tafasaraka tamin’Andriamanitra dia nitarika azy hiady irery amin’ny fiainana, ary izany no nahatonga ny fahoriana, ny aretina, ny havizanana sy ny harerahana mitady izay hohanina, araky ny tenin’I Jehovah hoe “ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao”, ny fahoriana ihany koa amin’ny fiterahana…Nikorontana ny fiainana maha-olombelona, rehefa latsaka tamin’ny fahotàna ny zanak’olombelona. Ary ny nahonena ny fiafaran’ny fianan’ny zanak’olombelona satria voatery tsy maintsy maty izy: fa fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6:23)

3)      Simba ihany koa ny tontolo iainana: Mifandray ary tsy afaka misaraka amin’ny tontolo manodidina azy ny olombelona. Koa satria simba ny fiainantsika noho ny fahotàna, dia mazava ho azy fa tsy maintsy ho simba ihany koa ny manodidina antsika, ary isan’izany ny tany. Aoka ho tadidy tsara fat any no nangalàna ny zanak’olombelona, noho izany misy fifamatorana sy fihavanana eeo amin’ny tany sy ny zanak’olombelona: raha marary ny olona, farofy koa ny fany. Izany no nahatonga ny tany ho samba sy heni-doza araka ny voalazan’ny Gen 6, satria tsy mahazaka izy ny zava-dratsy atao eo aminy ary mitaraiana any amin’Andriamanitra mihitsy, rehefa nandatsa-dra namono ny rahalahiny I Kaina (Gen 4). Ny fahotàna no nahatonga ny zava-dratsy haniry, toy ny tsilo, fa tsy nisy tamin’ny voalohany izany. Tonga nifandrafy sy nifampihinanan ny zava-manan’aina: ohatra saka mihinana voalavo, olombelona nihinana akoho, eny hatramin’ny zava-maniry aza misy mihinana hena (carnivore). Zavatra tsy nisy tamin’ny voalohany izany, saingy noho ny fahotàna dia mihanaka indrindra amin’izao fotoana izao.

4)      Miatrika ady amin’ny devoly ny olombelona: Vokatry ny korontana noisy araka ny antony 3 voalaza ery ambony; dia miady amin’ny lafin-javatra maro ny zanak’olombelona. Rehefa nifampiampanga izy ireo, noho ny amin’ny fahotàna, dia raikitra ny ady sy ny fifanenjehana. Ary Andriamanitra dia efa nilaza fa “hampifandrafesiko ianao sy ny taranak’olombelona ry Satana: izy hanorotoro  ny lohanao ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahi-tongony” (Gen 3). Ny devoly anefa, ilay Menaràna ela, mpamitaka izao tontolo izao, dia fanahy ratsy eny amin’ny rivotra, tsy hita maso, ary izany no maha-sarotra ny ady aminy. Tsy maintsy miantoraka amin’Andriamanitra irery ihany rah ate-handresy an’I Satàna.

5)      Tafasaraka amin’Andriamanitra mandrakizay: Ny saha Edena na ny Paradisa dia nafindran’Andriamanitra toerana. Tsy napetraka eto amin’izao tontolo izao intsony, fa novàna toerana dia any an-danitra izany. Io ilay voalaza ao amin’ny II Kor 12. Tsy miaraka ny toerana misy ny ota sy ny toerana misy an’Andriamanitra, satria Andriamanitra masina sy be voninahitra. Saingy raha mibebaka kosa ny zanak’olombelona, izany hoe tapa-kevitra hiala amin’ny fahotàny, dia honina indray miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra izy, saingy ilay nofo, satria efa simban’ny fahotàna sy ny filàna, dia tsy maintsy avela ety ambonin’ny tany ho levona miaraka amin’ny tany, amin’ny alalan’ny fahafatesana. Ny olona kosa izay tsy nibebaka dia tsy mba honina miaraka amin’Andriamanitra na oviana na oviana reehfa miala eto, fa ho any amin’ny toerana izay tsy misy an’Andriamanitra sady hisy ny fahatezeran’Andriamanitra mandrakizay dia ny helo na afobe izany.

IV-               INONA NO TOKONY HATAO

Ireto misy toro-hevitra vitsivitsy mba tsy hahalatsaka antsika ao amin’ny fahotàna:

      Manamafy ny fifandraisana amin’Andriamanitra: 

-          Amin’ny alalan’ny vavaka izay tsy hafa fa fitaovana hifandraisana amin’Andriamanitra mandrakariva. Ny fianantsika dia fiainam-bavaka izany hoe kofehy mamatotra antsika amin’Andriamanitra izany. Tsy misy mahasaraka antsika amin’Andriamanitra rehefa feno vavaka isika. Tonga tia an’Andriamanitra isika ary lasa mifamatotra fiainana aminy.

-          Amin’ny fandinihina sy ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra

Ny Tenin’Andriamanitra no nanaovany an’izao tonto izao, ary ny Teniny ihany koa no hihazonana ny fisiany indrindra ny fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra, ny olona samy olona ary isika sy ny zava-boahary. Noho izany, mba tsy hahalatsaka antsika amin’ny fakam-panahy, izay manohitra an’Andriamanitra sy ny Teniy dia dia tsy maintsy mianatra sy mandinika ary Mankato ny Tenin’Andriamanitra isika. Izany no tokony anatrehana ny fianarana Soratra Masina araka izay ao atao.

-          Ny fanoherana ny filàn’ny nofo.

Tsy maintsy miady amin’ny filan’ny hofo isika. Izay ao amin’ny nofo tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny filàna tafahoatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra dia mitarika antsika ho latsaka amin’ny fahotàna ary misintona ny mpaka fanahy hiditra ao anatintsika ka hamatotra antsika amin’izany filàna izany, toy ny sigara, paraky, toaka, fijangajangàna, fitsiriritana…

-          Ny fanoherana an’I Satàna:

Ny mpaka fanahy dia mivezivezy eto amin’izao tontolo izao, tahaka ny liona mitady izay harapany. Noho izany, manararaotra ny filàna ao anatintsika izy hanangolena antsika. Mitarika antsika izany handroaka azy, ary tsy hamela azy hiditra ato anatintsika. Mazava ho azy anefa, fa satria fanahy ratsy eny amin’ny rivotra izyn, dia sarotra ho antsika ny handroaka azy amin’ny maha-nofo aman-dra antsika, fa mila an’I Jesosy Zanak’Andriamanitra hanampy antsika amin’izany. Izany hoe izay mahatsiaro fa tandidomin-doza satria manangoly azy Satana amin’nyzavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia mila miantso an’Andriamanitra haingana izy mba hamon,jy azy. Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no ho vonjena.

  -        Ny fanoloran-tena tanteraka ho an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra:  manao ny sitrapony, manao ny asany.

 

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

 

 

16 votes. Moyenne 2.81 sur 5.

Commentaires (2)

1. RANDRIAMADIMBISOA Haingo 04/02/2012

Marina tokoa fa :
ny filan'ny maso;
ny filan'ny nofo;
ny voninahitra ,
Ireo 3 ireo dia antony mahatonga fahotana, ary tsapako t@ fiainako izany .
Misaotra fa mampieritreritra sy mampandini-tena tokoa io fampianarana io.
Mahatonga ahy hiezaka hatrany mba handresy ny fahotana.



Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×