Ny Helo na ny Afobe

FAMPIANARANA SORATRA MASINA:

NY HELO NA NY AFOBE

 

I-                   FAMARITANA

Ny helo na AFOBE dia toerana izay isian’ny fijalian’ny fanahy mandrakizay, aorian’ny fahafatesan’ny nofo, ho an’ireo izay nahavita heloka ka tsy nahazo famindram-po na famelan-keloka tamin’izany.

 

II-                TEO AMIN’NY JIOSY

Ny sheol na « fiainan-tsy hita dia toerana iray any ambanin’ny tany, ,izay itoeran’ny maty. Ny finoana josy dia mihevitra fa misy ambaratonga ny lavaky ny fiainan-tsy hita any, arakaraky ny heloka vitan’ilay olona no hidinany any ambany any.  Toy izany ohatra ny voalazan’ny mpaminany Isaia, “Kanjo, hampidinina any amin’ny fiainan-tsy hita, ho any ampara-vodi-lavaka  hianao” (Isaia 14:15)

Io toerana io dia maizina sady mangina ary feno vovoka izay atorian’ny maty. Tsy mahatsiaro na inona na inona ny olona lasa any:” fa fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na innona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy. Na ny fitiavany, na ny fankahalàny, na ny fialonanny, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao aty ambanin’ny masoandro(Mpito 9:4-5).

III-             NY HADES

Ny hades dia dikan’ny Sheol amin’ny teny grika. Manambara ny any an-koatra indray izy aty amin’ny Testamenta Vaovao. Ao amin’ny Lioka 16:19-31, dia nijaly tao amin’ny hades n any fiainan-tsy hita ilay mpanan-karena, izany hoe toerana hisian’ny fahatsiarovan-tena rehefa tonga any, fa tsy tahaka ny any amin’ny Sheol: mahatsiaro may, marary…

Jesosy dia nidina tany amin’ny Hades, na ny fiainan-tsy hita, nandritry ny 3 andro, nitory ny Teny tao amin’ireo olona izay maty talohan’ny nahatongavany (toy ny tamin’ny andron’I Noa) (I Pet 3:18-20).

IV-              NY GEHENNE

Avy amin’ny teny hoe Gehhinon na Hinnom, saha ao atsimo andrefan’ny tanàna Jerosalema (Jos 15:8), izay nanaovana fanatitra na namonoana ankizy ho an’I Moloka (nandefa ny zanany hamaky ny afo) II Tan 28:3; Jer 7:31,32. Miverina in-11 io teny io ao amin’ny BAIBOLY.

Io toerana io dia navadika ho toerana fanariam-pako, mba hanakanana io fanao ratsy manao fanatitra zaza io II Mpa 23:10). Tamin’ny andron’I Jesosy, dia natao fanariana fako tao, nefa koa natsipy tao ihany koa ny fatim-bibyna ny fatin’ny olona nahavita heloka bevava, ka tsy mendrika hiditra am-pasan-drazana.Ny anton’izany dia mba hiarovana ny Tananan’I Jeroasalema mba tsy ho voaloto, noho ny vavaka sy ny fanatitra zay atao ao amin’ny Tempoly ary hitandrovana mandrakariva ny fahadiovan’ny Tanàna.

Dorana ireo fako sy faty ireo, ary mba tsy hahafaty ny afo mihitsy dia asiana soufre hirehitra mandrakizay.

Ny gehenne dia nalaina avy amin’izany araka ny Tenin’I Jesosy hoe” Tsara ho anao ny miditra toka-maso any amin’ny fiainana toy izao hanana maso roa kanefa hariana any amin’ny helo” (Mar 9:43). Tian’I Jesosy hambara amin’izany fa ny gehenne dia afo maharitra mandrakizay.

V-                NY FARIHY MIREHITRA AFO

Ny farihy mirehitra afo, dia toerana izay hanipazana an’I Satana na ny devoly sy ny anjely aorian’ny fitsaràna farany (Mat 25:41; Ap 20:10-15). Miverina in-6 ny teny hoe Gehenne ao amin’ny Baiboly.

Tsy ny devoly ihany anefa, fan a iza na iza tsy hita ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany, dia hatsipy any amin’ny farihy afo maharitra mandrakizay (Apo 20:15) Rehefa nalefa tany amin’ny faran’ny fantsona ny micro avy eo, mba hihainoana ny feon’ny plaques, handinihina ny momban’ny horohoron-tany, dia feo hafa mihitsy no renay.  Feon’olona iray mitaraina mafy sy mikiakiaka no henonay.

Nihevitra izahay aloha tamin’ny voalohany hoe simba ny fitaovana, ary dia nampiakarina, nohamarinina tsara, kanjo tsy feon’olona iray akory aza no heno, fa kiakiak’olona an-tapitrisany. Ary dia azonay amin’ny Cassette izany zavatra izany.

Najanona ny fikarohana rehefa avy eo satria tojo zavatra izay tsy azon’ny sainay fantarina intsony izahay. Ny fanjakana sovietika kosa, dia tsy nanao fanambarana fa nangina nanoloana izany fisehoan-javatra izany. Fa nisy noroahina kosa ny mpiasa vahiny afaka indroa andro monja,  satria natahorana ny hanaparitaka ny fisian’izany zavatra izany. Tsy vitan’izany fa mbola nomena volabe izahay, mba hangina ka tsy hiteny ny amin’izany zavatra izany. Voatery tsy maintsy nanaiky izahay, saingy nomena ny fikambannana mpanao asa so any vola rehefa avy eo.

Ny tena nampatahotra ny sovietika hono, dia ny fisehoana devoly iray lehibe manana elatra tahaka ny ramanavy, ary ao anaty afo ny fijery azy, niseho teny amin’ny lanitr’I Sibérie, ary niteny tamin’ny teny rosiana hoe: “ahy hianareo”.

ANDINI-TSORATRA MASINA AO AMIN’NY BAIBOLY manaporofo ny fisian’ny helo:

Lioka 16 : 19-31
Mar 7 : 13
Mat 10 : 28
Isa 14 : 11-15
Mat 25 : 41
2 Pet 2 : 4
2 Pet 2 : 9-10
1 Kor 6 : 9
Isa 5 : 14
Isa 5 : 11-13
Oha 15 : 24

Isa 14 : 15
Mat 25 : 30
Mar 9 : 43-48
Apo 20 : 14-15
Sal 116 : 3
Mat 23 : 33
Mat 16 : 18
Jao 3: 16-17

4 votes. Moyenne 3.25 sur 5.

Commentaires (3)

1. search engine optimization seo (site web) 25/10/2012

Isso foi algumas coisas interessantes aqui na nicetmu.e-monsite.com Graças para publicá-la.

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×