Ny Lanitra sy ny Fianana mandr

NY LANITRA SY NY FIAINANA MANDRAKIZAY 

I-        FAMPIDIRANA

Misy ny olona manao tsinontsinona ny fisian’ny lanitra ary mihevitra an’izany ho tsy misy akory. Na ny kristiana aza, marina fa mino ny fisiany, nefa tsy ampy fahalalana ny momba an’izany. Betsaka ny olona no tsy miraika loatra amin’ny zava-misy manodidina azy; tantara, fiaraha-monina, sns…Mainka moa fa ny zavatra any lavitra: ampitan-dranomasina, eny amin’ny habakabaka, eny amin’ny volana, ny any an-koatra. Toa ohatry ny sahirana be loatra ny zavatra eto an-tany isika ka adino indraindray ny zavatra any an-danitra, izay mahasoa antsika ary mampitombo ny finoantsika sy ny fanatenantsika. Ndeha ary hibanjina akaiky kokoa ny lanitra isika, dia ny fiainana mandrakizay izany. 

II-        NY LANITRA

Tsy misy olona mahafantatra na oviana na oviana ny momba ny lanitra, raha tsy Andriamanitra no mampahafantatra izany; na amin’ny alalanan’ny Teniny izany, na amin’ny alalan’ny vavolombelona izay nanehoan’Andriamanitra manokana izany.

Ny Baiboly manontolo aloha dia milaza fa ny lanitra dia tsy aiza fa any ambony. Tsy misy mihitsy nilaza fa hoe any ambany izy io. Andriamanitra aza hoy ny fahendrena Malagasy dia ao antampon’ny loha. Mifanohitra mihitsy amin’ny fiainan-tsy hita izany, araka ny finoa,a jiosy izay any ambanin’ny tany, ary mafy sy mangidy izany hoe hidina any amin’ny fiainan-tsy hita.

Ny Baiboly dia milaza fa any amin’ny lanitra fahatelo no misy ny paradisa, misy ny teny tsy hay tenenina (II Kor 12). Ny habakabaka misy antsika no lanitra voalohany, ary ny faharoa dia izay misy ny volana sy ny kintana ary ny masoandro, ary ny fahatelo dia ny toerana misy an’Andriamanitra.

Ao amin’ny Gen 17; dia voalaza fa niakatra Adriamanitra rehefa nandao an’I brahama. Ao amin’ny Jaona 3, ny Zanak’olona dia nolazaina fa nidina ary any amin’ny san’ny Apostoly kosa izy dia nambara fa niakatra, ary nisy rahona nanarona azy. Ny Salamo 113:5 dia mametraka fanontaniana hoe iza no hiakatra any an-danitra?

Ny Soratra masina iray manontolo dia maneho an’izany toerana ambony misy ny lanitra izany, eny any ambonin’ny habakabaka izay misy ny kintana sy ny volana aza (Sal 8). Asan’Andriamanitra mahagaga izany (Isaia 42:5).

Mipetraka ary fanontaniana hoe: firy kilometatra marina no mampisaraka ny lanitra sy ny tany? Izao no tsarovy: raha vao misento fotsiny isika, na miteny, na mitaraina dia efa heno any an-danitra ny feontsika. Midika izany fa akakiky dia akaiky ny lanitra araka ny II Tan 7:14.

Nisy olona iray izay tsy mba nivavaka mihitsy,  namoy ny zanany lahy tokana, ary taorian’izay izy vao niezaka namaky Baiboly, mba hahafantarany hoe lasa aiza marina ny zanany.

Nisy koa mpitandrina iray izay tsy niraika loatra tamin’ny fiainana ivelan’ny ankohonany sy ny fiangonany. Tonga anefa ny fotoana, tsy maintsy hanambady ny zanany vavy, nipetraka eny ampitan’ny renirano izay misy azy. Dia lasa nahatsiro an-janany izy ary mieritreritra foana ny toerana sy ny tanàna izay misy azy. Maty koa anefa ny zanany iray taty aoriana, lasa any ampitan’ny ony maizina, dia ny fahafatesana izany. Dia tonga nahatsiaro izany toerana misy an-janany izany foana izy ary nanao ho zava-dehibe an’izany, ka lasa nitsinjo lavitra, fa tsy variana tamin’ny fiainana an-davandro fotsiny.

III-                    NY LANITRA SY NY MPONINA AO AMINY

Mipetraka ny fanotaniana sy ny finiavana ary ny fikarohana maro samihafa hahalalana ny fisian’ny zava-bohary na ny zava-manan’aiana hafa (extra-terrestre) ivelan’ny planeta tany sy ny zanak’olombelona, ary mikaroka an’izany fatratra ny manam-pahaizana, Tsarovy fa ny Baiboly dia efa nilaza ny fisian’izany ela ary tsy karohina lavitra andaniana vola be izany, fa amin’ny alalan’ny finoana no ahafantarana izany.

Tsaroako ny tenin’ny olon-kendry anankiray raha nampianatra izy. Mandany vola tsy toko tsy forohana ny zanak’olombelona miakatra eny amin’ny volana, eritrereto ny vola lany amin’ny fanaovana sambondanitra sy ny vola lany amin’ny sidina iray fotsiny, izay amina miliara dolara, nefa vatokely anankiray no entina avy any. Raha ny vola lany anefa no nikarakarana ny mahantra sy ny noana eran-tany, tsy nisy nijaly intsony teto.

Raha hiverina isika ny momba ny any an-danitra, dia misy trano maro na fonenana maro any.  Tsy vavahady na varavarana iray ihany, fa maro: telo any avaratra, telo any andrefana, telo any atsinanana ary telo eo afovoany. Ny mpivahiny izay tonga any dia avy amin’ny Fiangonana samihafa, firenenasamihafa, rehefa niova fo ka nandray ny Filazantsara sy ny fanantenàna ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Smy mihaona eo amoron’ny ranon’aina any an-danitra izy ireo, Io ranon’aina io, dia ahitan’izy ireo hazo mahagaga mamoa voa roa ambin’ny folo, samy manana ny karazany avy. Tsy voankazo mitovy daholo akory ireo, fa samy manana ny karazany, izany hoe, azo anaranam-po, ka ny voafidin’Andriamanitra no hahazo izany.

Ny fianana any an-danitra dia fiainana mandrakizay. Fony tety ambonin’ny tany dia efa nilaza ny Tompo, fa toerana iray no hisy an’I Jesosy sy ny mpanompony (Jao 12:26). Ny mpianatry ny Tompo izay tena tia azy, dia tsy ara-dalàna raha mbola any am-pasana ihany hatramin’izao. Ny Tompo dia niteny fa tiany ho any aminy ireo izay nomen’ny Ray azy (Jao 17:24).

Rehefa mino an’I Jesosy ny olona iray, dia manana fianana mandrakizay sahady izy. Ny matoanteny ampiasaina amin’izany dia ny ankehitriny, izany hoe amin’ny fotoana inoany ny Zanak’Andriamanitra, dia tafiditra ao amin’izany mandrikizay izany izy.  Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany ary tsy azontsika alevina na tsy horaharahiana.Tsy misy mpanao fasana na mpanao vatapaty eto amin’izao fiainana izao afaka handevina na hanitrika ny fianana mandrakizay ao anatiny.

Raha miresaka ny Apostoly hoe, tsy manatrika anareo amin’ny tenako aho, fa manatrika anareo amin’ny fanahy, dia mahazo antoka izy fa izay toerana misy azy  dia misy ny Tompo. Manana fiainam-baovao izy izay tsy azon’ny fasana hazonina na fihinina; fiainam-baovao izay hiraisany amin’I Jesosy ary hiarahany aminy eto an-tany sy any an-danitra ihany koa. Ny tena na nofontsika eto an-tany izay mety lo aza, dia mbola hitafy ny tsy fahalovana, hoy izY. Ary marina ny tenin’I Jesosy fa dia ny singam-bolontsika aza dia tsy hisy ho very. Resaka fotoana fotsiny, izany hoe amin’ny fotoana hahatongavan’I Jesosy eny amùin’ny rahon’ny lanitra, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovàna ny olona rehetra izay nino, ka ny mety maty hitafy ny tsy fahafatesana. Fa raha ravana ny tranolaintsika ety an-tany, dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana, hoy ihany izy ao amin’ny II Kor 5:1.  Maniry lavitra ny ho any amin’I Kristy izy satria tsara lavitra izany (Fil 1:23,24), tsy manana fahefana amintsika ny fahafatesana handrombaka an’izany fiainana mandrakizay izany. Mety hampisarahany amin’ny havakoaho, ny tranoko…, fa tsy azony sarahina na oviana na oviana amin’ny fiainana mandrakizay. Noho izany, tsy tokony hahatahorana ny fahafatesana satria ny fiainana dia mahery lavitra noho izy.

4 votes. Moyenne 4.00 sur 5.

Commentaires (2)

1. RAMAHERISANDRATRA salohy 03/02/2012

Mahavelom_panahy ary koa feno anatra
deraina ny TOMPO

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site