FIJOROANA VAVOLOMBELONA

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

 

Ramatoa Bakoly Manantenasoa Oldantine

 

Tenin’Andriamanitra ho entiko maneho ny fitiavan’i Jesosy Joba 5:17-27.

Izaho Bakoly Manantenasoa Oldantine dia nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany lehibe, volana Mai 2014 aho dia narary, nentina tany amin’ny dokotera ny alina. Ny tolakandro izay vao nalefany nody, vao tonga tany an-trano izahay vao maika nihombo ny aretiko! Nanontany ahy ny Mamako hoe manao ahoana indry? Dia namaly aho hoe “Ento any amin’ny hopitaly aho. Tonga dia nobataina aho, ary ny olona izay nibata ahy ary dia nirahin’ny Jesosy hitondra ahy! Nanomboka teo aho dia tsy nahatsiaro-tena firy intsony, fa ireo zanako nitomany ahy no Henoko farany. Nanomboka teo Ampasampito aho no niala aina, ka  ireo izay nitondra ahy dia hopitaly akaiky no nampidirany aho. Rehefa tonga tany izahay dia natao ny fizahana, ka ny valiny dia tsy maintsy didiana aho, nefa na ho didiana na tsy didiana dia tsy maintsy maty. Nasain’ny dokotera nanao taratasy ireo fianakaviana sady asiana Sonia. Rehefa vita izany dia nantsoina Pasteur ka ny navaliny hoe : Ajanony ny fandidiana, ny fianakaviana kosa nanao hoe : efa lasa ny taratasy, fa hodidiana. Ireo fianakaviana tao anatin’izay dia nanao rojom-bavaka, nandroaka devolin’ny fahafatesana. Rehefa natao ny opération, dia tsy nasian’ireo dokotera “anesthesia” fa natao “normale”. Gaga anefa ireo dokotera fa tsy mba nihetsika mihitsy aho.

Tao anatiny izany aho dia tonga tany an-danitra. Vao tonga aho, dia nitsena ahy Jesosy sy ny anjely. Teo ihany koa anefa ny devoly. Ary tonga izy dia nisambotra ahy, ka niantso mafy aho hoe : Jesosy o! vonjeo aho ary mamindrà fo amiko, raha nisy asanao vitako ka nahafaly anao, dia vonjeo aho! Tonga Jesosy sy ny anjely namonjy ahy ary nitondra ahy tany amin’ny toerana iray, mamirapiratra be mihitsy! Nanontany ahy ny iray ka nanao hoe : tianao ve aty? Izaho anefa tsy mba namaly fa nijerijery ny manodidina! Hoy kosa ilay anankiray nanao hoe : satria isika ao anatin’ny fahoriana izay vao tena mahalala an’i Jesosy fa velona ho antsika Jesosy ary mijery antsika isan’andro, aza miandry ny kapoka vao hanao ny asany sy ny fanoloran-tena.

Ireo dokotera ara-nofo aza dia tena mino, fa misy Jesosy manasitrana

ary manangana ny maty, izy ireo aza dia tena nilaza tamin’ny fianakaviana fa tsy mahamenatra ny mivavaka.

Aza kivy raha mbola tsy tonga ny valim-bavaka, fa misy fotoana ny zavatra rehetra, mila manana faharetana isika. Tsy maintsy mandresy ny mpianatrin’ny Tompo.

Voninahitra hoan’Andriamanitra irery ihany.  

 

 

ILAY LAKILE SY NY TRONDRO

Teny mialoha:

Ry mpamaky hajaina, ny faniriako lehibe indrindra sy amin’ny foko tokoa ho anao dia ny handraisanao izao lahatsoratra izao, tsy eto ivelany fotsiny, fa amin’ny fonao lalaina, mba hampieritreritra anao ny amin’ny hery mahatalanjona ao amin’ny Andriamanitra nasehony tao amin’i Jesosy Kristy tamin’ny 23 Janoary 2000

Maitre Marie Michèle E. MOULOUNDOU (cameroun)

TTF : ny anarana hoe SANGA voatonina eto dia ny renirano lehibe indrindra any Cameroun

TRANGA TSY MAMPINO KANEFA MARINA!

Teraka tamin’ny fianakaviana azo lazaina ho mivavaka aho, fa ny ray aman-dReniko dia mitondra ahy tany ami’nny fiangonana katolika, fa tsy haiko loatra I Jesosy Kristy. Ho ahy ny batemy dia fombafomba ihany. Ny hoe mankany am-piangonana mamonjy lamesa, dia anisan’ny adidy atao ny Alahady. Eo amin’ny fiainako andavanandro dia tsy hita loatra ny mampiavaka ny maha-Kristiana ahy sy ny andavanandroko. Mirona amin’ny saina ratsy ny foko sy amin’ny asa mifanohitra amin’izay mety ho fisainana mahasoa.

Manana namana aho, Christine no anarany, mpiara-miasa amiko, izay manasa ahy lalandava amin’ny fivoriam-bavaka sy ny fandalinana baiboly. Fa tsy tao an-tsaiko mihintsy ny hoe hanaiky ny fanasany. Nony izy tsy mitsahatra manasa ahy anefa sy mamangy ahy, sady milaza isan’andro izao ny momba an’I Jesosy Kristy Tompo, dia misisika mafy izy ny handehanako any amin’ny tafika fitoriana filazantsara, tontosain’ny fikambanana “Tanora ho an’I Kristy” (Jeunesse pour Christ) tao amin’ny faritra nisy anay. Koa mba hahafaly azy (Christine) dia nanapa-kevitra aho handeha.

Akory ny hagagako, fa tena nahafinaritra ny fotoana tany amin’ilay tafika masina. Ry mpamaky hajaina o, hafakely indrindra ny mahita ireto tanora ireto vao erotrerony, feno hafaliana daholo, mihira amin’ny fomba

mirindra, midera sy mankalaza an’Andriamanitra, manambara fitiavana, famelan-keloka sy hatsaran’ilay mpahary ho an’ny olombelona. Izay rivotra ara-panahy tsotra izay dia nambabo avy hatrany ny foko. Angamba tsy izay ihany! Nandritra ny toriteny, dia tsapako fa niteny tamiko manokana Andriamanitra. Izay rehetra voambara tao dia milatsaka tato anatiko avokoa!

Tampoka teo, tsapako fa nisy toa vesatra be tamiko, dia hetaheta toa maika be tao anatiko, hanjary zanak’Andriamanitra aho, teraka tato anatin’ny foko. Indro, mandalo tao anatrehako indray mijery, ny lasako. Avy hatrany, dia tsapako fa, hay hatramin’izay, dia Kristiana anarany fotsiny aho. Tsy mahita ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainako. Dia teo aho no niaiky fa “very aho”, ary tonga izao ny fotoana tena matotra, mba ho Kristiana tena izy aho.

Nony nanao antso ilay mpitory teny, ho an’ireo manam-panirina ho tonga zanak’Andriamanitra, handray an’I Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy “manokana”, dia tamin-kafaliana no nanolorako ny fiainako tamin’I Jesosy, mba hanova tanteraka ny fiainako Izy. Ka hataony zanak’Andriamanitra aho. Avy eo, nandritra ny fotoana nivavahan’ilay mpitoriteny ho ahy, dia tsapako teo noho eo, hafaliana sy fiadanana tsy hay lazaina nameno ny foko. Mazava ho ahy fa nisy zavatra sarobidy nitranga eo amin’ny fiainako. Nanomboka teo, dia matotra tokoa ny firosoako ho an’I Kristy.

Na dia izany aza, nony nody mavitrika ery aho tany an-tranoko, dia nitantara avy hatrany ny seho teo amiko tamin’ny vadiko sy ny zanako. Ny zanako nandray izany tamim-pifaliana. Ny vadiko tsy nahita lazaina, fa kapoka tsy nahateny. Gaga aho tamin’io fihetsiky ny vadiko io, raisiko ho tsy dia nankasitrahany loatra (fa tsy manova mihintsy ny fandresen-dahatra)

Ry mpamaky hajaina, hatreto aloha, ary voalohany tamin’ny mariazinay (19 taona izao), dia nanomboka nikorontana ny fifandraisanay mivady. Mampalahelo izany fa kosa ilaina (ho fantatrao etsy ambany). Fotoana fohy avy eo, namoaka ny tao am-pony ny vadiko. Nanakiana ahy mafy izy. Hitako fa marary am-po izy. Tezitra mafy izy, niteny mahery, manompa mihintsy mba hampiova hevitra ahy; fa nambarako taminy fa tsy hiverin-dalana aho na inona na inona hitranga. Vao mainka tezitra izy, dia nahavariana fa nikasi-tanana izy. Zavatra sampona! Mahamenatra ho an’ny dokotera mpitsabo toa azy. Tsy nahahetsika aho, valalanina, tampoka teo, lasa nandray fiara izy dia mivoaka ny trano. Fotoana fohy avy eo, niverina izy, vao mainka koa romotra. Mazava tamiko fa tsy zakany mihintsy ny fanapahan-kevitra.

Voalohany aloha, dia nasainy nomeko  azy ny LAKILEN’NY efitranoko(izany hoe ny lakile iray amin’ny lakile roa misy). Fa dia tsy hita tampoka teo io lakile io; tsy azoko mihintsy. Nony nolazaiko taminy fa tsy hitako dia nisafoaka izy: “raha tsy eo io lakile io, dia tsy mahazo mijaona ato koa hianao. Manome baiko anao

aho hivoaka ny tranoko! Tsy mahazo miverina ato hianao raha tsy efa hitanao iny lakile iny. Ndeha mandeha, mialà eto! “Teny mahamenatra avy amin’ny vavam-bady lahy izany! Kanefa dia mifankatia akaiky ery anie izahay hatramin’izay eh! Tsy misy mihintsy afaka manimba ny fiarahanay. Ny fantatro dia vady nahafa-po hatrany aho! Kanefa tsy tamin’io alina io! 

Fa inona no nitranga? Fa inona no anton’izao fiovam-pihetsika tampoka tamin’ny vadiko izao? Fantatro fa fialana bala fotsiny ilay hoe “lakile” fa ny tena olana teo amin’ny vadiko dia izaho nanolo-tena ho an’i Kristy. Aiza ary no hahitako ilay lakile hiverenako ao an-tokantranoko? Eo anatrehan’izao tranga mahavalalanina sy maharary izao, dia nankany amin’ilay namako Christine aho mba hisaina amin’izao alina izao. Gaga noho izao fiantranoana alim-be izao ilay namana fa dia nandray ahy amim-pitiavana tokoa. Dia nitantaraiko tamiko ny fahoriako.

Tohina izy noho izay any tamiko, ary nampahery ahy fatratra izy hihazona ny teniko ary hatoky an’Ilay Tsitoha izay mahay ny zavatra rehetra. Niara-nivavaka izahay ary dia natory ny maraina, nentin’I Christine tany amin’ny rahalahy ao amin’ny Tompo aho dia ao amin’ny fikambanana tanora ho an’I Kristy”, izay nampahery ahy koa tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ho tadidiko mandrakizay.

Isaia 30/15 “ … Fa amin’ny fieverenana sy ny fitsahatrana no hamonjena anareo. Amin’ny fanginana sy ny fahatokiana (an’I Jehovah) no hisian’ny herinareo”

Romana 8/28 “Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra deia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo

Dia miombom-bavaka zareo ho ahy, ho an’ny vadiko sy ny ankizy, ka nitalaho tamin’Andriamnaitra mba hahita ilay lakile.

Ry mpamaky hajaina, nisy akony tamiko izany fiombonam-bavaka izany! Nony vita izany, dia lasa nody tany an-tranon’I Christine izahay mirahavavy; tao moa no nataoko fonenako indray. (Asabotsy tamin’izay). Ora enina avy eo, teo am-pikarakarana sakafo izahay mirahavavy, no indro tovolahy iray tonga niantsoroka trondro Karpa 25 Kg eo ho eo. Fantatr’I Christine izy; hoy izy: “Sandry io, rahalahy ao amin’I Kristy. Mpanjono izy.”

Hoy Sandry: “ Rahavavy o, hotahin’ny Tompo anie hianao. Henoy kely; “Ity trondro karpa entiko ity, dia omeko anao, maimaimpaona. Raiso ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ho anao. “

“Andray! Hafa kely izany! Hafanam-po izany! Ohatry ny tsy mampino.” Nony lasa I Sandry, dia nanala kira-trondro izahay roa vavy. Ary novakiana ny kibony hanalana ny loto anatiny. Indro, nahita lakile aho mitovy amin’ilay lakilen’ny efitranoko. Nony nodinihiko tsara, dia ilay ahy very mihintsy! Toran-kovitra aho. Tolagaga aho ny amin’izao tranga izao. Ary nihoraka: “Christine o, ilay lakileko ity. Ilay lakilen’ny efitranoko! Tena izy ity, resy lahatra aho! Tsy mampino, nefa dia marina! Lakile-ko tao anaty kibon’ny trondro!

Tsy marina lahy! Fa ahoana no nahatonga an’izy ho ato? Najanona ny asa rehetra. Nanainga anay Christine mba hisaotra sy hitso-drano ary hanandratra ny Tompo Jesosy Kristy. Avy eo dia nankany amin’ny rahalahy Ao amin’ny Tompo izahay, ao amin’ny “Tanora ho an’I kristy”. Dia tohina daholo ny rehetra noho izao vaovao izao. Dia niara-nidera sy nanandratra ny voninahitr’Andriamanitra izy rehetra tamin’ny hira sy vavaka fankalazana. Nony vita izany, dia nampirisika ahy zareo hankany amin’ny vadiko.

Nahazo hery aho noho izao zavatra tsy takatry ny saiko izao, feno hafalaina aho, tonga soa aman-tsara tao an-tokantranoko! Ny zanako? Ravoravo nahita ahy tafaverina! Indro, ny vadiko nivoaka tampoka avy tao amin’ny efitranony tao; romotra, manontany ahy nahoana ianao no sahy niditra ato? Avy hatrany dia nasehoko azy ilay LAKILE. Talanjona izy tamin’izany fihetsiko izany; noraisiny ilay lakile natondroko azy, ary dia niaiky izy fa marina ny teniko. Nanontany izy hoe “taiza no nahitanao ity? “ Dia notantaraiko ilay tranga hoe tao anaty kobon’ny trondro anie no nisy azy ity e! gaga tanteraka aho fa nirotsaka be dia be ny ranomasony.

Minitra vitsy avy teo, niboraka izy: “Nanao fanamby tamin’ny Andriamanitrao aho. Fa lozako. Niseho nandresy  Andriamanitra. Izaho anie, hoy izy no nanipy ny lakilenao omaly tao amin’ny renirano. Ary trondro Karpa no nampiasain’Andriamanitra hanehoana ny heriny, ny maha-Tompo azy, ny mampisy azy na aiza na aiza. Miangavy anao aho, tariho koa aho ho

tonga zanak’Andriamanitra, toa anao”

Ry mpamaky hajaina o, feno tanteraka ny hafaliana aho tamin’io ora sy fotoana io. Mahavariana ny nahita ny vadiko “potika” tanteraka ny maha-izy azy ka tapa-kevitra hanara-dia an’ I Jesosy Kristy. Ny harivan’io ihany, dia nanambara ampahibemaso ny vadiko sy ny zanakay dimy fa handray an’I Jesosy Kristy amin’ny fiainany. Ny ampitso maraina (Alahady io), indreo izahay mianakavy sy izaho natao batisa tao amin’ny reniranobe Sanga, nanipazana ilay lakile.

Ankehitriny, ny vadiko, ny zanako ary izaho rahateo, dia zanak’Andriamanitra, noho ny fitiavana niseho ao amin’ny Jesosy Kristy. Ry mpamaky hajaina, Jehovah dia mahay zava-mahagaga tsy takatry ny sain’olombelona, toa izao nataony tamin’ny fianako izao. Enga anie izao fijoroana vavolom-belona izoa hitondra fahazotoana, faharesen-dahatra lalina ary finiavana mba hanome feno ny fiainanao ho an’i Jesosy Kristy: ho tahin’ny Tompo anie hianao.

Fianakaviana EMOULOUNDOU, Cameroun

  

 

ILAY FAHAGAGANA TAO AN-TENDROMBOHITRA

 

Mahavariana ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany antsiika olombelona. Mbola tsy miova ny tanan’Andriamanitra, mbola mitsotra mandrak’ankehitriny maneho fahagana tsy takatry ny saina!

Nandeha nanao vavaka an-tendrombohitra izahay tany amin’ny tanàna kely anankiray, tsy dia lavitra an’Antananarivo. Rehefa niala ilay tanàna izahay nizotra ho any amin’ilay tendrombohitra avo be, izay efa nanapahan’ny rehetra hevitra fa handehanana (tokony eo amin’ny lalana antsasak’adiny eo ho eo), dia niteny ilay Mpitandrina namako hoe: “Pasitera a! Anontanio an’I Jesosy aloha sao dia tsy eny ny toerana tokony aleha!”.

Dia nijanona nivavaka izahay aloha. Ny valim-bavaka azo dia tsy eny amin’ilay toerana izay efa tapaky ny rehetra tokoa no tokony hiakarana, fa ery ampita atsimo, havoana ivaiva kely!

Nisy ireo vahoakn’Andriamanitra efa lasa mialoha handeha ery amin’ilay tendrombohitra avo be, dia voatery niverina indray, somary sorena kely hoe ahoana indray ary izany! Izaho moa nanazava, tsy fantatro izay antony itondran’I Jesosy antsika eny, ny toerana ihany koa mbola tsy nadehanana, fa dia ho fantatsika eny izay sitrapon’ny Tompo!

Kinanjo rehefa tonga teop amin’ilay toerana natondron’ny Fanahy Masina, akory ny hagagako fa misy ranovelona mikoriana eo. Andray, eto amoron’ny ranovelona izany isika no hivavaka, sady madio tsara azo sotroina ny rano! Mahavariana ny fitondran’Andriamanitra!

Dia natao ny fotoam-bavaka, rehefa avy samy naka toerana ny rehetra. Rehefa vita ny fibebahana, fiantorahana tamin’ny Tompo, dia nitondra amim-bavaka ilay ranovelona izahay, mba hataon’ny Tompo ranovelona hanasitrana ny aretina rehetra, tahaka ilay rano tao Siloama, nanasitrana ny mason’ilay jamba, toy ny renirano Jordana nanadiovana ilay boka. Rehefa natao ny vavaka, nangataka an’I Jesosy mba hohamasininy io ranovelona io ho lasa rany tokoa, ny zavatra nahavariana, nanao fahagagana Jesosy! Rehefa avy nisotro io rano io ny olona, sy nanasa ny aretiny sy ny rofiny teo, maro be ny olona sitrana. Vehivavy iray tratry ny Raodia, mbola nitsaingotsaingoka be hoy izy, ny tongony, fa rehefa nosasana teo amin’ilay ranovelona, dia sitrana tanteraka. Toy izany koa ny anankiray, mbola sempotra dia sempotra sy nikohaka, nefa rehefa nisotro ny Ran’I Jesosy velona, dia sitrana tamin’izany ihany koa. Ary izaho ihany koa, ny masoko, nivonto ny ilany, tsy haiko hoe naninona, rehefa nosasana ihany koa teo amin’io toerana io, dia afaka!

Tsy vitan’izany, fa notapahin’I Jesosy ihany koa mivantana ny ozon’ny ankabeazan’ny olona tonga teo, ary ny tranony tany amin’ny tanàna nisy azy reio aza, dia nanirahany anjely nanadio azy. Nisy ihany koa marary, izay henonay taty aoriana, fa tonga nanasitrana azy ireo tany an-tranony ny Tompo!

Fa ny tena nahavariana, nisy vehivavy anankiray nentina amim-bavaka teo amin’io tendrombohitra io, satria tany am-piandrasana omby hono, dia nalain’ny olona ankeriny, dia notakianay vola an-tapitrisany. Ory dia ory tokoa ny vady aman-janany

noho izany, ary dia nentina tamin’ny Tompo teo amin’io toerana io.Akory ny hagagana fa ny ampitson’iny ilay vehivavy dia tonga tao an-tanàna, tamin’ny fomba tsy takatry ny saina!

Ny tena nisaorako an’Andriamanitra, rehefa nody izahay dia hoy ny anankiray: “Raha tany amin’ilay toerana izay nomanin’olombelona izany no nandeha, dia tsy nahita na inonana inona, sady hafanana migaingaina, tany karankaina no hita tany.

Ry Havana malala, mbola manao fahagagana tsy takatry ny saina amin’ny maha-olombelona Andriamanitra! Mila fotsiny isika manao ny sitrapony sy mandeha amin’ny lalana izay atorony, dia ampy izay!

 

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé sy ny mpivavaka an-tendrombohitra

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×