Tantara kely mahafinaritra 5

Tantara kely mahafinaritra

 

TAMA MPIDOROKA

 

I Tama dia tena olona mpidoroka gaigilahy. Indray andro anefa, dia tonga tao an-tranony ny Dokotera ary dia niteny tamin’ny vadiny fa kely sisa ny andro iainany raha mbola misotro toaka izy. Ity Ramatoa kosa anefa dia vehivavy mahery fo ka vonona hanaraka ny toro-hevitry ny dokotera ary tsy kivy na inona na inona toetra ratsy nasehon’I Tama.

Voatery tsy maintsy nanaraka régime I Tama ary ny vadiny no tsy maintsy nampihatra izany ara-bakiteny, fa  raha tsy izany dia ho faty Tama. Tsy maintsy arahi-maso amin’izay rehetra ataony.

Tsy zakan’ity farany intsony anefa ny tsy hisotro toaka ka nahita hevitra izy hiverenana indray amin’ity zava-mahadomelina! Dia hoy izy tamin’ny vadiny indray andro:

“Zao ry se a! tapa-kevitra aho fa tsy hisotro intsony mihitsy, dia izao no hataoko, tena handinin-tena ao am-pandriana aho dia hivavaka amin’Andriamanitra, dia hisarona ao anaty lamba ao aho sady hanao tsianjery Tenin’Andriamanitrta mangina ao, koa tandremo ianao manabataba ahy, fa mivavaka aho an! Tsy mila arahi-maso intsony fa efa hendry aho izao.

Adray zany hafaliako, hoy ny vadiny, niova tampotampoka teo se! Tena omeko valisoa mahafinaritra se amin’izany fanapahan-kevitr’ise izany. Dia mahereza fa izaho koa mivavaka ho an’ise.

“Aza matahotra na dia kely aza, hoy Tama, lehilahy nohosoran-dreniny menaka ny aty, tsy taitra fotsiny ianao”.

Dia natoky azy tokoa ny vadiny sady faly, nisaotra an’Andriamanitra.

Rehefa lasa niantsena kosa ary Ramatoa, dia niresaka mangingina tamin’ny mpiasany vavy I Tama.

“Zao an! Avia ianao aty amin’ny efitranoko, efa tsy dia misy raharaha firy atao ianao, ka azo antoka fa tsy hitady anao rafotsy, fa izaho ho’ aho mba te-haka rivotra kely, fa tsy avelany aho raha vao miera aminy, koa avia ianao matoria eto am-pandriana misolo ahy, dia mirakofa lamba tsara, dia saromy ny loha mba tsy ho fantany raha sendra miditra 

ato izy. Zay an, izaho vetivety ihany.

Dia lasa ny anao lahy, lasa tany amin’ny Bar vao nijanona, tavela tany.

Ramatoa kosa rehefa tonga tao an-trano, somary mahina ihany, dia lasa nanara-maso an-drangahy tao am-pandriana, akory ny hatairany fa tazany toa misy volom-behivavy  mitranga kely eo akaikin’ny ondana. Avy hatrany dia nendahiny ny lamba ka akory ny hatairany sy ny fahatezerany nahita an’ilay mpiasa!

“Ary inona no ataon’ity ato! Hay ity miray tsikombakomba amin’I Tama amin’ny zavatra ratsy! Lasa mandeha, any an-dakozia manao raharaha, tandremo mbola tratrako, fa maratrako!

“Mifona re Madama fa tsy hanao intsony a!

Tandremo ary an! Hoy Madama!

Inona ary no nataon’I Madama avy eo? Lasa izy nitsofoka tao am-pandriana, dia nisaron-doha tao izy, nandra-pahatongan’I Tama, efa mamo! Nitsaitsaika moramora, dia niditra tao an’afitrano, dia iny nanala akanjo ndeha ho ao am-pandriana iny indrindra no nifoha tampoka Ramatoa vadiny, sady nikapoka azy tamin’ny fehikibo no nanao hoe :”Zao ve ity no mivavaka”

“Mifona re Ramatoa o, marary izany, aok’izay e”

“Tsia an! Sady manao tsinontsinona ahy no manitsakitsaka ahy, tsy maintsy faizina, faizina mafy, ka mahatantesa.

Tandremo ihany ny toaka sy ny zava-mahadomelina!

 

ILAY MPANJAKA MALAHELO

Fahiny hono, nisy mpanjaka iray izay sady mpanan-karena no nahery; izay tsy maba nahitana fifaliana na oviana na oviana to amin’ny endriny. Ny vahoakany anefa nankato azy tsara, ary nanaiky azy. Nanana ny zavatra rehetra izy, vola aman-karena, trano tsara tarehy, mpiasalahy sy mpiasavavy, sy fananana maro be, nefa indrisy fa tsy nanana fahasambarana. Ny antony nahatonga izany dia noho ny toetrany: tezitezi-poana amin’ny tsy misy dikany , tsy mba mety afa-po amin’ny zavatra rehetra, tsy mba manana zavatra tiana; ary tsy maniry na inona na inona. Etsy andanin’izany, mampahory sy mampitahotra ny mpiasany izy, manao izay mahasosotra ny vahoakany , nefa ny vahoakany tsy ratsy aminy.

Fanampin’izany, olona  tia ady koa izy. Tsy ahoan-tsy ahoana edia tapa-kevitra izy hanafika firenena mifanakakaiky aminy. Nandeha ny tafika ary nandresy, nitatra indray ny faritry ny fanjakany, saingy tsy hita ho nahafaly ny mpanjaka izany.

Rehefa niverina ny tafika, fifaliana ny an’ny vahoaka, nanao fety be tsy nisy tahaka izany. Nasiana haingo sy ravaka maro samihafa teny amin’ny arabe. Ny vehivavy sy ny ankizy nandihy. Ary ny hariva aza dia nasiana afomanga namirapiratra tsy nisy tahaka izany,  Faly sady nahatsiaro sambatra ny vahoaka. Fa  ny mpanjaka kosa, nalahelo teny ihany.

Nifanontany ny vahoaka ny amin’ny antony mampalahelo ny mpanjaka. Rehefa mijery azy ny vahoaka, dia lasa malahelo ihany koa, satria mba te-hahita ny mpanjakany faly, nefa diso fanantenàna.

Dia gaga hono ny mpanjaka, fa izay olona hitany, sy mijery azy, dia malahelo daholo. Dia nandeha ny mpanjaka indray andro, niaraka tamin’ny soavaliny, dia nandeha nanontany ny olona rehetra izay hitany:

-          ‘Mandidy anao aho, lazao ahy izay antony mampalahelo anao”

-          Tsy misy hoy izy, noho ny fahatahorana ny mpanjaka dia tsy sahy namboraka ny tao am-pony, ity lehilahy iray.

Nefa hono ny vahoaka, reraka ny miady tsy ahoan-tsy ahoana, mandeha manafika nefa tsy tafihina akory,  ny miady amin’ny manodidina kanefa tsy fahavalo akory, manginy fotsiny ny fahatahorana ny mpanjaka sao manao izay tsy mahafa-po azy.

Tezitra noho ny tsy nahafantarany ny tena marina ary ny mpanjaka, nokaravasiany ny soavaliny, dia lasa izy nankany ambanivohitra be, nandeha lavitra dia lavitra, izay toerana tahaka ny tsy misy olona. Nahare feon-javatra mikasokasoka sy toa olona mihira anefa izy avy eo, hay tovolahy kely iray no mamboly voan-javatra sady  mihira ihany, tsy mahita ny mpanjaka akory. 

Raha nahita azy ny mpanjaka dia nisafoaky ny fahatezerana, satria sambany no nisy tsy niraharaha azy tahaka izany, ny olona teo anoloany. Saingy noho ilay hira mamelovelonay tovolahy, dia tsy sahy nampiseho ny fahatezerany izy.  Rehefa nikohaka kely ny mpanjaka, izay vao taitra ity tovolahy, nitsiky sady niankohoka teo amin’ny mpanjaka, no natolony azy ilay kitapo kely misy ilay voan-javatra nambolena. Noraisin’ny mpanjaka iny, nokaravasiany ny soavaly dia lasa izy nirintona., tsy nisaotra akory, niverina any an-dapa.

Rehefa hariva hono ny andro, ka hatory ny mpanjaka, dia nataony teo akaikin’ny ondany ilay kitapo kely nisy voan-javatra, dia natory izy ary tena nahita tory, tsy tahaka ny isan’andro.

Rehefa maraina ny andro, toa natanjaka sy voatafy hery tsy tahaka ny isan’andro, dia lasa niarina ary niomana ary nisikina sy vonona ho amin’izay zavatra kasainy hatao. Tsy vonona handeha hiady tahaka ny mahazatra anefa, fa lalana hafa sy toerana hafa : any an-tanimboly. Niaraka amin’ny angady ny mpanjaka, dia lasa namboly, namboly, namboly. Raha mbola niposaka koa ny masoandro, dia iny ny mpanjaka hitan’ny olona lasa niasa tany, niava voly…

Alaovy sary an-tsaina amin’izany ny tebiteby sy ny alahelo teo amin’ny vahoakany: fa na hain’andro migaingaina, na oram-baratra, na ririnina, io ny mpanjaka mivoa-dinitra, miasa, miasa ary miasa hatrany.

Nandeha ny andro sy ny volana, tonga ny lohataona. Mibaliaka ny masoandro, mivelatra ny voninkazo, ny olona mifaly sy ravo etsy sy eroa. Fa mba aiza ny mpanjaka no tsy mba miara-paly amin’ny vahoakany?

Any an-jaridaina izy, izy irery, mitazona voninkazo anankiray tsara tarehy, ary mandinika izany, sady latsa-dranomaso, manontany tena ny antony tsy ananany fifaliana sy fahasambarana. Ny manodidina azy anefa, faly, faly. Noheveriny fa ny niasa tany tahaka an’ilay tovolahy kely nihira tany am-banivohitra no ahitany fifaliana, nefa indrisy, diso fanantenàna izy.

Tao anatin’izany indrindra; ity tonga teo anatrehany ilay tovolahy, efa nitombo ny habeny, fa tsaroany tsara, nibanjina ny mpanjaka ary niteny hoe:

“ Manahoana ianao ry mpanjaka, Jeremia no anarako, Jereo amin’ny masonao sy ny fonao ny manodidina anao ry mpanjaka, ny voninkazo, ny, ny masoandro, ny zava-boahary, ny olona, dia ho hitanao fa ho sambatra ianao”.

Nanokatra ny masony tokoa izy, ary nahita ny zavatra rehetra tsy tahaka izay nahitàny azy hatramin’izay. Hay mahafinatra ny zava-boahary, maha-te-ho tia ilay tovolahy, ary teo koa vao tsaroany ny fitiavan’ny vahoakany azy. Tapa-kevitra ny mpanjaka fa hanam-bady amin’izay, amin’izay mba mahazo zanaka mahafinaritra tahaka an’ity tovolahy ity, ary ity farany, nentiny tany amin’ny lapany, naira-nipetraka taminy. Dia izay vao tena sambatra ny mpanjaka

24 votes. Moyenne 2.75 sur 5.

Commentaires (2)

1. Foley26Emma 07/01/2012

That's understandable that cash makes us free. But what to do if one does not have cash? The one way is to get the <a href="http://goodfinance-blog.com">loan</a> and auto loan.

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site