Tantara kely mahafinaritra

IFALIA AO AMIN’NY TOMPO

TANTARA KELY MAHAFINARITRA

 

REPENDS-TOI

         Un homme alla devant le prêtre et lui dit : mon père aie pitié de moi car j'ai péché en voulant me pendre et le prêtre de lui dire :  «  sois sans crainte, va et repends-toi ». L'homme n'ayant rien compris, alla se rependre au lieu de se repentir.

 

ANDRIAMANITRA NO VAVOLOMBELONA

         Nifandona hono ny fiaran’ireto Mpitandrina roa, ary dia nifamaly teo izy mirahalahy. Ianao no diso, hoy ilay zokiny fa nangalatra “à droite ianao”. Tsia, hoy ilay mpitandrina zandriny, nandeha mafy ianao ka tsy voazonao intsony ny familiana dia nifatratra aty amiko.

Rehefa tonga tany amin’ny fitsaràna, mbola samy nifanjija izy roa lahy, dia nanontany ilay mpitandrina zokiny ny mpitsara:

-          ”Manana vavolombelona ve hianao?

-          Eny tompoko, Andriamanitra no vavolombelona.

Dia napetraka tamin’ilay zandriny koa ny fanontaniana

-          Ary ianao, manana vavolombelona ve?

-          Eny Tompoko, Andriamanitra koa ny ahy no vavolombelona!

 

Rehefa nisintona ny fitsaràna, nivoaka ny didy, tankina tsy nahateny izy roalahy:

-          Meloka ianareo roalahy satria nampidi-kizo an’Andriamanitra koa dia saziana telo volana an-tranomaizina!

Tandremo an! tsy miditra amin’ny adin’izao tontolo izao Andriamanitra

 

ILAY MPANDIDY TSY MINO AN’ANDRIAMANITRA

Hoy hono ity dokotera mpandidy iray sady nieboebo no naneso ilay tambanivohitra kristiana iray:

-          Betsaka ry ingahy ity izay olona nodidiako izay; fa mbola tsy nahita izay fanahy ao anatiny aho an!

-          Ny ahy koa, hoy ilay tambanivohitra, tsy taitra, efa nisinisy ihany izay vorona novonoiko izay fa mbola tsy nahita sifflet tao anatiny aho!

-          …

 

TSISY RAKITRA

Nasaina hitarika fivavahana Alahady tany amin’ny fikambanan’ny olona miboridana (nudistes) hono ity mpitandrina iray.

Dia nisy nametraka fanontaniana hono izy hoe: “Tsy sahirana ve ny sainao manoloana ireo olona mitanjaka 500  ampivavahanao?

Ny tena manahirana ny saiko, hoy ny mpitandrina, dia ny hoe,

“’tsy hanao rakitra ve izany izy ireo?”,        

Pastera a! Ny vola ve no maha-maika sa ny FAMONJENA azy ireo mba ho hita mitafy izy fa tsy mitanjaka?

 

41 votes. Moyenne 2.59 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×