NY DEVOLY, ODY , OZONA

DEVOLY; ODY, OZONA

Fampianarana mivantana avy amin’I Jesosy Kristy manoloana ny maha-kristiana antsika

Mahagaga sy mahatalanjona ny fitiavan’Andriamanitra antsika ary mahavariana ihany koa ny fampianarany tsy takatry ny saina. Hijery loha-hevitra maromaro ary isika, arakany toro-mariky ny Tompo, ary zavatra tena ilaintsika tokoa izany, mba hahazoantsika mitandrina tsara sy miambina amin’ny maha-kristiana sy amin’ny maha-olona miova fo antsika. Betsaka mantsy ny toetra na fihetsika izay heverina fa ara-dalàna sy tsy dia maninona nefa ao am-badika, hay famantarana ny fisian’ny zava-doza eo amin’ny fiainantsika.

 

FAMANTARANA NY FISIAN’NY DEVOLY EO AMIN’NY OLONA IRAY

 

Ny devoly dia fanahy ratsy tsy hita maso, te honina sy hipetraka ao anatin’ny olona. Ny vatantsika no tena trano tiany sy ankafiziny, mihoatra lavitra nohon’ny “villa” sy ny “building”, ny fijeriny ny vatantsika. Raha tsy manana an’I Jesosy ny olona iray, na ihany koa tsy miambina tsara, dia mirodorodo mibosesika ao anatintsika ny ireo fanahy ratsy ireo. Manamarina izany ny tenin’ I Jesosy fa “mpangalatra sy jiolahy ireo izay rehetra tonga talohako”, ary tsy mba miditra ny vavahady izay ireo fa mananika ny fefy. Tsy misy teny ieràna na fiangaviana ny fidiran’izy ireo ao anatin’ny olona fa tery vay manta sy fidirana an-keriny tsotr’izao. Izany rehetra izany dia amin’ny fomba tsy ampoizina sy tsy fantatra akory aza. Manararaotra ny tsy fahalalantsika mantsy izy ireo, hidirana sy hanapotehana ary hamonoana sy hitarihana mihitsy ny zanak’olombelona any amin’ny fahaverezana, koa mila mailo sy mitandrina tsara isika, ary indrindra mila mianatra amin’ny Tompo e! Koa alao hery ary, raiso sy tadidio tsara ireto zavatra sarobidy ireto, fa tsy zavatra noforonina, na naka saina tamin’ny nofo aman-drà aho raha mampita izao fampianarana, fa tena tao anatin’ny vavaka sy ny fangatahana ny Fanahin’ANDRIAMANITRA ary fitenenan’I Jesosy mivantana ny zavatra ara-panahy ihany koa. Mipetraka ary ny fanontaniana: inona no tanjon’ny devoly raha mipetraka sy monina ao anatin’ny olona iray izy? Indreto ny valin’izany fanontaniana izany, mba hahafahantsika miambina tsara ny  varavaravana:  

-          Mamitaka ilay olona

-          Maka fanahy sy mitarika azy hanota : misotro, mifoka, mijangajanga.

-          Mitondra aretina (fanahy maha-farofy)

-          Mahatonga azy ho demoniaka (androbe, ambalavelona…)

-          Mitarika azy ho very saina

-          Mitondra ilay olona mirenireny

-          Mampirisika azy hiady sy hamono olona

-          Hahatonga azy hiady sy hiteny ratsy

-          Mitarika ny olona tsy hanao na inona na inona (kamo)

-          Mampirisika azy hamono tena, ny tanjon’ny devoly dia ny hahafaty ilay olona izay ipetrahany.

 

Hitantsika fa tena zava-doza ny fisian’ny devoly ao anatin’ny olona iray. Noho izany, mila mailo tsara isika. Ireto ary ny famantarana avy amin’I Jesosy ny fisian’ny devoly ao anatin’ny olona iray, izay zavatra mety tsy ampozina ihany eo amin’ny fianana kanefa mifono zavatra lehibe sy saro-pantarina:

1)      Mena-maso lava

2)      Manoaka tsy misy farany

3)      Mangidihidy lava ny vatana manontolo

4)      Te hatory foana, na antoandro na alina

5)      Manonofy miteniteny

6)      Mitsangana tampoka ao anaty torimaso, tsy mahatsiaro tena fa mandehandeha eran’ny trano na mivoaka any an-tokotany mihitsy

7)      Mimonomonona sy mitabataba tsy misy farany

8)      Mijery Télé andro aman’alina (film mamoafady, horreur, dessins animés, series, fanatanjahan-tena…). Mila mitandrina ny amin’ny fisian’ny Canal vahiny izay efa mora dia mora ny fanjifana azy amin’izao fotoana izao, nefa mitarika ho any amin’ny zava-dratsy ny ankabeazany

9)      Manao jeux na kilalao tsy an-kijanona

10)   Mahita olona na biby amin’ny andro antoandro, izay tsy hitan’ny hafa

11)   Maneno na mikopâkopaka ny sofina

12)   Marary an-doha lava

13)   Miolonolona sy tia mipetraka irery

14)   Misaintsain-dratsy foana

Mandre feo mampitahotra sy mitarika ho any amin’ny zava-dratsy

1)      Tia mitanjatanjaka sy miboridana (fitafiana tsy maotina)

2)      Mikasi-tanana sy mamono

3)      Miteny ratsy sy manozona

4)      Tia loko mena sy mainty

5)      Mihatakataka sy mandositra rehefa mahita mpanompon’Andriamanitra

6)      Misy zavatra masiaka ao anaty vava

7)      Kamo mivavaka (matory amin’ny fotoam-bavaka, toriteny…)

 

Inona ary no tokony atao, raha sanatria tratry ny iray na maromaro amin’iroe ny olona iray? Zavatra telo no tsy maintsy arahina, ary ampiharo tsara izany, dia ho afaka ianao:

-          Mibebaka ny fahotana vita, indrindra mifanandrify amin’ilay devoly mamatotra.Ohatra: mifona amin’I Jesosy isika, raha mena-maso lava ohatra, mariky ny fasiahana izany, dia mifona mafy amin’I Jesosy ny amin’ny toetra masiaka.

-          Manao divorce na manapaka tanteraka ny fifandraisana amin’ilay fahotana. Vavaka no atao amin’izany, ary ao anatin’ny vavaka dia miteny hoe: “Amin’ny anaran’I Jesosy, izaho dia manapaka tanteraka ny fifandraisako amin’ny fahotana toy izao, na toy izao, ary tsy misy ifandraisako na ifamatorako amin’izany intsony manomboka anio, fa vita divoerce amin’iznay aho, amin’ny anaran’I Jesosy”

-          Manao divorce amin’ny devoly izay mamatotra: tsy maintsy manao izany ihany koa isika, satria io devoly io no mihazona antsika tsy ho afaka mandrakizay, ary tsy maintsy atao ny divorce aminy. Izany no tsy mahafaka olona be dia be amin’ny fahazaran-dratsy, mifona fotsiny fa tsy manapaka ny fifandraisana sy ny fifamatorana amin’ny anaran’I Jesosy, hany ka na te- hiala aza, tsy afaka satria vofatotry ny mahazaka fiton’ny devoly, dia migadra mandrakizay.

Raha sanatria ka mbola tsy afaka amin’izay dia ireto ihany koa ny toro-hevitra:

-          Mifady hanina telo andro

-          Mivavaka any an-tendrombohitra indray andro

-          Manao alim-bavaka indray andro (miaraka amin’ny mpanompon’Andriamanitra na mpianakavin’ny finoana)

Raha sanatria ka mbola tsy afaka ihany dia ity ny dingana farany:

Manatona mpanompon’Andriamanitra: mpiandry, mpitandrina, Iraka,  Mpaminany.

-          Manaraka an-tsakany sy an-davany ny toro-marika izay omeny, ary mamita izany hatramin’ny farany.

Manaraka izany, ny fampianarana mikasika ny fanapahana ozona moa dia efa nataontsika teto amin’ny Gazety foana. Koa ity indray ary ny toro-lalana sarobidy ho antsika mikasika izany indrindra.

 

FAMANTARANA NY FISIAN’NY OZON’NY FAHAFATESANA EO AMIN’NY OLONA IRAY NA FIANAKAVIANA IRAY

Tahaka ny teo aloha ihany, dia maro ny trangan-javatra eo amin’ny fiainantsika izay heverina fa ara-dalàna na amin’ny maha-nofo aman-drà, dia entin’ny miakandrefam-baravarana. Ny olombelona, hoy isika, tsy maina fa lena, ny olona tsy maintsy marary, tsy maintsy maty. Misy anefa fahafatesana avy amin’Andriamanitra tokoa, satria Izy no mahafaty sy mahavelona, misy avy amin’ny devoly, satria izy koa dia mpamono olona hatramin’ny voalohany. Midika izany, fa tsy ny fahafatesana rehetra dia voatendrin’Andriamanitra, ary tsarovy fa “ fahafatesana no tambin’ny ota”, koa raha sanatria manota isika no tratry ny fahafatesana tampoka, dia tsy avy amin’Andriamanitra na oviana na oviana izany. Ohatra: maty teo am-pisotroana, nodoran’ny olona velona satria nangalatra, tratry ny tompom-bady dia notifiriny ny basy satria nangalatra ny vadiny…Raha tsy nibebaka ireny olona ireny, dia mazava ho azy fa handova izany koa ny taranany, ary izay no mahatonga ny ozona. Ndeha ary hojerentsika ireo famantarana samihafa mahakasika ny fisian’ny ozon’ny fahafatesana eo amin’ny olona na fianakaviana iray:

-          Afa-jaza mihoatry ny in-droa

-          Maty teo am-piterahana ny reniny na ny zaza, na izy mianaka mihitsy

-          Matin’ny loza tampoka na accident, ka mihoatry ny iray no nisian’izany tao amin’ny fianakaviana. Izany hoe raha in-droa no miakatra no nisy loza na tranga mitovy niseho teo amin’ilay ankohonana na fianakaviana, dia tena ozon’ny fahafatesana mila tapahina haingana izany (hain-trano, lozam-pifamoivoizana…)

-          Manonofy miaraka amin’ny olona efa maty

-          Misokatra in-telo na mihoatra ny fasana iray ao anatin’ny herintaona

-          Manonofy izy tenany no maty (nofiko fa maty hono aho)

-          Manonofy mandevina

-          Mamono tena

-          Manozo-tena (aleoko maty, alaovy aho ry razako any am-pasana…)

-          Manozona ny hafa ho faty (matiko ity, vonoiko ho faty eo, matesa faingana…)

-          Matahotra faty, matahotra fasana

-          Mahita aloka mainty amin’ny andro alina, manindry, mampitahotra

-          Ny fotoana isian’ny fahafatesana dia volana mitovy foana, ka miverina in-telo no mihoatra izany (Ohatra, isaky ny volana Mai dia mandevina foana…)

-          Miala aina maharitra be (fito andro no miakatra)

-          Mbola marary dia efa mivoaka olitra

-          Mbola marary dia efa mitaraina hoe MAY

-          Tia manao akanjo mainty, sy akanjo misy sarin’ny maty. Tandremo ny mitondra ny sarin’ny olona efa maty eny amin’ny akanjo, toy ny mpihira, mpilalao sarimihetsika, olo-malaza…

-          Tia maka sary miaraka amin’ny faty, manoroka faty…

-          Mitahiry na mitondra zavatry ny maty, toy ny akanjo, kiraro, poketra, kiraro…

  • Tsy azo anaovana na omena olona ny zavatra ny maty fa

 TSY MAINTSY DORANA NA ARIANA. JESOSY MIHITSY NO MITENY IZANY FA TANDREMO. Amin’ny asan’Andriamanitra izay atao, dia betsaka no ahitana olona mitondra akanjon’ny maty, satria ampahafantarin’ny Fanahy Masina izany. Zava-doza no vokatr’izany satria ampahorian’ny fanahin’ny fahafatesana iny olona iny, amin’ny fomba maro samihafa. Ohatra iray, vahiny sendra tonga tao aminay. Nifoha aho amin’ny telo maraina, gaga be nahita azy tsy matory fa mitorovoka. Fa maninona ianao? Tsy mahita tory aho, ary toa malahelohelo sy manembona izany foana, dia aleoko mipetraka toy izao, hoy izy. Rehefa nojerena ny akanjony, hay akanjon’ny maty, nindramina tamin’olona (tsy azo atao ny mifampindrana akanjo, arak’izany). Rehefa nambara taminy fa tsy mety aminy mihitsy ny akanjo anaovanao iny, dia nanaiky izy ny hanala ilay akanjo. Natory be amin’izay izy rehefa avy eo.

  • Mahakasika ny volamena: azo diovina amin’ny afon’I Jehovah, dia azo anaovana na omenany hafa.
  • Ny sarin’ny maty tamin’izy velona: azo tehirizina fa tsy azo apetaka amin’ny rindrina.
  • Sarin’ny faty lena na faty maina: tsy maintsy dorana amin’ny anaran’I Jesosy

Raha misy tranga mitovy amin’ireo eo aminao na ny anhonanao, aza mandrimandry manana aretina, fa manatona :mpanompon’Andriamanitra ho 

tapahina ozona. 

FAMANTARANA NY FISIAN’NY ODY SY NY ZAVA-DRATSY AO AMIN’NY TOKANTRANO IRAY

Mampalahelo sy mahonena ny zava-misy amin’izao fotoana izao, satria tokantrano maro, 90% ny trano fonenana, eny hatramin’ny mpanomin’Andriamanitra manana ny maha-izy azy aza, dia rakotry ny fanafody ratsy sy ny asan’ny maizina avokoa. Miteraka voka-dratsy mahatsiravina ny fisian’ny ody, koa aza dia variana loatra. Efa hitanay fa misy trano nefa sady fasana, ary faty mihitsy no nopongarina tao. Misy eny an-tokotany, feno razana, zazarano, tavonin-jaza. Tandremo fa tsy azo alevina  amin’ny faritra onenana na oviana na oviana ny ahitra na ny tavony, satria mitovy amin’ny faty ihany ireny. Matoa alevina dia zavatra tsy ilaina sy tsy mahasoa izany. Koa aza mandevina zava-dratsy ao amin’ny toerana onenan’ny velona, fa mahatonga ny fanahin’ny fahafatesana hanjakazaka ao amin’ilay tokantrano. Mazava ho azy ihany koa, araka ny fampianarana’ny Ray aman-dReny fa tsy tafiditra ao amin’ny trano misy ody na oviana na oviana JESOSY KRISTY.

Ireto indray ary no marika ahafantarana fa misy ody ao amin’ny tokantrano na toeram-ponenana iray:

-          Manonofy ratsy, toy ny biby samihafa ny olona mipetraka ao: bibilava, alika, omby, dragona…

-          Misy manindry na mampitahotra rehefa matory

-          Misy biby velona mandehandeha, maneno, na ao an-trano, na any ivelany: angelikary, saka, vorondolo, alika mitomany valala

-          Misy mpamosavy mihaodihaody any an-tokotany

-          Maheno olona mandehandeha any amin’ny tohatra, na any an-tafotrano…

-          Mianjera in-droa na mihoatra eo amin’ny toerana iray. Eo amin’iny faritra nianjerana iny no tsy maintsy misy ody

-          Miady sy mikorontana lava ny ao an-trano

-          Marary lava sy farofy ihany koa ny iray trano

-          Vaky trano na idiran’ny mpangalatra mihoatry ny in-droa no mihoatra

-          May trano indroa no mihoatra

Nilatsahan’ny varatra ilay trano na toerana 

-          Misy tadio matetika tonga eo an-tokotany

-          Misy biby miditra ao an-trano, toy ny bibilava, voalavo, ramanavy…

-           Tsy mahazo zaza matetika ny vehivavy (afa-jaza, maty eo am-piterahana…). Misy devoly tsy tia zaza mena, ny fisian’ny tavony milevina sy ny faty ao an-trano na eo an-tokotany dia mitarika fahafatesan’ny zazamenavava na ny any am-bohoka.

-          Maty tanora ny ankabeazan’ny ny olona mipetraka ao amin’ilay trano.

-          Misaraka ny ankabeazan’ny mpivady ao amin’ny fianakaviana.

Inona ary no atao raha toa ka mahatsapa ianao fa misy ireo famantarana ireo? Ireto misy toro-hevitra telo, ahafahanao miady amin’izany fisian’ny ody na zava-dratsy izany, raha mino isika, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Raha tsy mbola manana finoana kosa anefa, dia mpiandry na olona efa vaotokana ho amin’izany ihany no manala ny ody:  

-          Mivavaka mangataka ny Fanahy Masina hampahafantatra ny

 marina, satria Fanahin’ny fahamarinana Izy, ary ny marina hanafaka antsika mba tsy ho andevo, izany hoe tsy ho voafatotry ny fisian’izany ody ratsy izany. Amin’ny fomba tsy takatry ny saina, raha mino isika no anehoan’ny Fanahy Masina ny fisian’izany zavatra ratsy izany ao amin’ny tokantranontsika. Na isika manonofy, na ihany koa misy feo mivantana manoro ny toerana misy ilay ody. Mety ihany koa amin’ny toerana misy ilay ody, raha mandalo eo ianao, dia marary ny an-doha, na ny Tanana, raha mifanila amin’ny Tanana izy, ny tongotra raha any ambany izy, raha ny akanjo no misy ody, raha vao manao ilay akanjo dia marary ny faritra amin’ny vatana…

-          Rehefa hita ilay izy dia alàna amin’ny anaran’I Jesosy, raha azo atao tsy raisina amin’ny Tanana, fa maka zavara andraisana azy. Raha toa ka milevina any amin’ny rindrina na any amin’ny gorodona na plafond ilay ody, dia azo atao ny mandevona azy amin’ny anaran’I Jesosy. Maka rano isika, rano mangatsiaka, dia hamasinina amin’ny anaran’I Jesosy mba ho tonga ran’I Jesosy, dia iny no handevonana 

ilay izy, eo amin’ny faritra misy azy. Azo atao koa ny mandevona izany amin’ny alalan’ny afon’I Jehovah, izany hoe mandefa ny afon’I Jehovah handoro ilay ody any anaty tany milevina any. Raha toa anefa ka faty na ody mahery no milevina ao amin’ilay toerana iray, dia tsy maintsy pongarina sy esorina tao izany, satria mety hamoa-doza na hampiditra angano mihitsy ilay tokatrano.

-          Dorana amin’ny anaran’I Jesosy ny ody na ny zava-dratsy nilevina tao avy eo.

-          Ny toerana nialany ihany koa dia tsolorana amin’ny afo, ary rarahana ny ran’I Jesosy Kristy mba ho levona tanteraka ny herin’ny ody.

Raha tena manana olana isika ka tsy afaka miady sy mandresy ny asan’ny devoly, rehefa tena niantoraka sy nitady ny Tompo, dia antsoy ny mpanompon’Andriamanitra namanao, na ny olom-boahosotra, fa nataon’Andriamanitra hifanampy sy hifampitondra ny mavesatra isika!

 

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

Tél 033 12 552 28

Raha sendra tsy mahazo ny N° Tél, dia alefaso SMS ny hafatra tianao hampitaina !

 

 

5 votes. Moyenne 2.20 sur 5.

Commentaires (2)

1. Rotsy 12/05/2014

Manaona Pasteur, hono hoa, so de mba afaka ampina verset biblique le fampianarana mba afahana mandresy lahatra kokoa?
Misaotra

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site