NY FANAHY MANAMBADY

 

 

FANAFAHANA AMIN’NY ASAN’NY DEVOLY

 

NY FANAHY MANAMBADY SY NY ASA RATSINY

           Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, amim-pifaliana no hitondrana izao fampianarana izao, amin’ny anaran’I Jesosy Tompontsika, fampianarana tsy avy amin’ny saina na eritreritra na fahaizan’olombelona, fa notovozina avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina mivantana, mifamatotra indrindra amin’izay voalazan’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’I Jesosy Kristy ihany koa.

Mahakasika indrindra ny amin’ity asan’ny devoly ity, izay mateti-piseho satria mpanompn’Andriamanitra maro no voafitany, ary krstiana tsy hita isa ihany koa no latsaka ao anatin’ny fandrika avelany, vitsy ny mahafantatra ny tena marina, ny fomba fisehony ny fomba hahafahana aminy, sy ny fitandremana tokony hatao ihany koa.

Andeha ary isika hamakafaka ny Soratra Masina, mialohan’ny zavatra rehetra, araka izay hita eto amin’ny bokin’ny Genesisy. 

“ARY raha vao nihamaro ny olona tambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.

Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko, fa amin’ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.

Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.

Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro” (Gen 6: 1-6).

Eto amin’ny Genesisiy 6 eto no anaporofoana mivantana ny fisian’ny fanambadiana eo amin’ny zanak’olombelona sy ny fanahy. Ambara hoe “zanak’Andriamanitra” ireo fanahy ireo, izay tsy iza fa “ireo anjely mpiodina” izay “nazera tety ambonin’ny tany”: “Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina”(Apok 12: 10). Nazera izy ireo satria niodina teo anatrehan’Andriamanitra, noho izy ireo “tsy nitana ny anjara fanapahany” tany an-danitra, ary manao izay fara-heriny mamiravira ny zanak’olombelona ety ambonin’ny tany, satria efa fantany fa kely sisa ny androny. Nisy koa anefa ny olona ratsy fanahy tetyn ambonin’ny tany nandray sy nampandroso ireo fanahy

ratsy ireo ka nanao ny sitrapony sy nanatanteraka ny filan-dratsiny araka ny Joda 6, 7: “Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe.

Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay”.

Araka izany, ireo fanahy ratsy izay nanambady ny olona tety ambonin’ny tany ireo, no nampirisika ny olona tao Sodoma sy Gomora hanatanteraka zava-mamoafady, dia ny firaisan’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy: “fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany” (Rom 1: 26, 27).

Araka izany, ny firaisan’ny olona sy ny fanahy, na ny ny fanahy manambady olombelona, no mahatonga karazana faharatsiana sy fahavetavetana mahatsiravina eto ambonin’ny tany. Inona no antony?

  • Tsy nanaraka ny planin’Andriamanitra mahakasika ny famoronana sy ny

 rindran-damina mahakasika ny fanambadiana ny zanak’olombelona, satria ny fisainan’ny olona dia hafa mihitsy: “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony”. Raha adika izany, rehefa tsy mandeha araka ny Tenin’Andriamanitra ny zanak’olombelona, fa araka izay heveriny ho mety, araka ny fahendreny, na  fahaizany, dia miandry kendry tohina azy ny devoly manome saina ratsy.

  • Tsy ny saina ihany no nivaona fa na dia ny vatana na ny tenan’ny

 olombelona ihany koa dia nampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy: “Ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany” (Joda 10). Hitan’ny devoly mantsy fa: “tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy”. Zava-doza ny tsy fanoloran-tena ho an’Andriamanitra! Tsiriritin’ny devoly mantsy izao tenantsika izao, satria eo anatrehany dia tsara tarehy lavitra noho izy, satria izy ireo efa nosimban’Andriamanitra: “Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra hianao. Ary nosimbako hianao, ry kerobima manaloka” (Ezek 28: 16). Tokony hihazona ny hatsara-tarehintsika eo anatrehan’Andriamanitra mandrakariva isika, ary “hankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenantsika” (I Kor 6: 20). Mandresy lahatra

tanteraka ny tenin’ny mpanao Salamo: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany” ( Salamo 139: 14).

 
  • Tsy niaraka tamin’Andriamanitra tahaka an’I Noa ny zanak’olombelona: “niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa” (Gen 6: 9). Ny tsy fananana firaisana amin’Andriamanitra isan’andro isan’andro, dia mahatonga antsika tsy ho tafara-dalana amin’Andriamanitra. Raha tsy mifidy an’I Jesosy ho sakaizantsika isika, izany hoe namana sy sakaiza mahatoky andro aman’alina, dia rombahin’ny devoly. Ny loza indrindra dia sintonin’ny devoly amin’ny mahazakan’ny fahotana isika, ary atsangany ho zanany: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao” (Jaona 8: 44). Sady ataony zanany anefa no alainy ho vady, satria ny devoly amin’ny maha-fanahy ratsy azy, dia mifotitra sy manao izay zavatra fady indrindra. Voafitany ny mponina tao Sodoma sy Gomora ka: “nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa”. Ny atao hoe “nofo hafa”, dia tsy ilay olombelona noforonin’Andriamanitra fa “zava-boahary hafa”, izay tsy inona fa “ireo devoly izany.

    AHOANA NO AHAFANTARANA NY OLONA MISY FANAHY MANAMBADY

    Ny fisiana na fidiran’ny fanahy manambady amin’ny olona iray, dia azo fantarina aloha voalohany indrindra, amin’ny alalan’ny mpanompon’-Andriamanitra voahosotr’Andriamanitra, izay manana ny Fanahy Masina. Ny olona izay manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra mantsy dia “mahalala ny zavatra rehetra”, noho izany, tsy sarotra ny mamantatra ny fisian’izany fanahy ratsy izany amin’ny olona anankiray. Fa eo amin’ny olona kosa izay misy azy, dia ireto zavatra vitsivitsy entina manaporofo ny fisian’izany fanahy janga izany amin’ny olona izay ipetrahany:

  • Manonofy miaraka amin’ny olona amin’ny alalan’ny firaisana. Ilay olona nofisina io dia tsy olona velively fa devoly maka endrik’olona. Na olona fantatra io, eny na dia ny vadinao aza no azonao nofy, ka niaraka aminao, tsy izy velively io fa devoly maka endrik’olona.
  • Manonofy miara-matory amin’olona lahy na vavy. Misy arak’izany, olona manafosafo azy na manoroka azy eo am-pandriana
  • Manonofy atao mariazy miaraka amin’olona. Misy olona iray izao nanonofy natao mariazy tamin’olona rovitr’akanjo be, maimbo be. Io ilay devoly mpisandoka sy janga. Mila fitandremana indrindra ho an’izay mitady vady, na mbola tsy manambady: matetiika izy ireny no manonofy atao mariazy, na miaraka amin’olona, tsy fantany anefa fa devoly no efa naka vady azy.
  • Misy manindry amin’ny alina matory. Iny zavatra manindry iny dia tsy hafa fa ilay devoly na ilay fanahy janga efa manambady ilay lehilahy na vehivavy, saingy tsy hita maso.
  • Misy manatsofoka zavatra ny vavany amin’ny alina, na hidiran’ny bibilava, na zavatra hafa.
  • Enjehin’ny alika, na omby, na ihodidinan’ny bibilava.
  • Misy olona manenjika ary azony. Mandritr’izany fotoana anenjehany azy izany dia tsy afaka mitsoaka fa mavesatra be ny tongotra.
  • Mahatsapa fa miara-matory amin’olona efa maty eo am-pandriana.
  • Mitsiriritra firaisana ara-nofo raha vao mahita lehilahy na vehivavy
  • Tia mijery sarimihetsika mamoafady, na sary mitanjaka.
  • Tsy mahafoy mijery na mihaino hiran’izao tontolo izao.
  • Tia manao akanjo tsy maotina: fohy, miboridana, manify.
  • Tia fiainana sarim-bavy na sarin-dahy.
  • Mankafy resaka voso-dratsy, tsy maotina sy mamoafady.
  • Mitady fahafinaretana irery ho an’ny tenany (Masturbation)

    Araka izany, mila miambina sy mivavaka tsara isika, ary

     mangataka ny Fanahy Masina ma hahafahana mahafantatra ny fisian’izany fanahy ratsy izany ao anatintsika na tsia.

     

    INONA NO ANTON’NY FIDIRAN’NY FANAHY MANAMBADY AO AMIN’NY OLONA IRAY?

                 Asan’ny devoly mazava ho azy ny fidiran’ny fanahy manambady ao amin’ny olona iray. Ny fanahy ratsy rehetra anefa, tsara ho fantatra, tsy maintsy misy varavrana idirany. Ny fahotana dia varavarana midandana ibosesehan’ny fanahy ratsy ao anatin’ny olona iray: “Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly” (I Jao 3: 8). Noho izany indrindra, ny fahotana dia andriam-by matanjaka misintona fanahy ratsy isan-karazany. Izany no mahatonga ny Apostoly hiteny hoe: “Aza manome toerana ho an’ny devoly” (Ef 4: 27).

               Arak’izany, ny fahotana manintona ny fanahy manambady indrindra dia ny fijangajangana, izay tsy hafa fa “fahotana mihatra amin’ny tena”: “Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany” (I Kor 6: 18). Ity tenatsika ity dia tsarovy fa “TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA”, noho izany dia tsy tokony hosimbana na ho lotoina amin’ny fijangajangana na oviana na oviana. Ny tanjon’ny devoly, dia ny “hangalatra sy hamono ary handringana” ‘Jao 10: 10), izany hoe hanapotika ity tenatsika ity, izay voalaza tery aloha fa “Tempolin’Andriamanitra” (I Kor 3: 16). Arak’izany, ampmiiasain’I atana ny nofo, mba hanoherany ny Fanahy, mba tsy hitoeran’ny Fanahin’-Andriamanitra ao anatintsika, ka hahafahany manjaka sy manandevo ny olona n any zanak’Andriamanitra.

    Andeha ary hojerentsika ireo endrika fijanagajangana isan-karazany misarika ny fanahy manambady hitsofoka ao amin’ny olona iray. Fara-faha-keliny, varavarana 16 no isisihan’ny devoly janga aoa anatintsika, raha tsy miambina isika.

  • Ny kilalao ratsy amin’ny fahazazana: ny kivadivady, atao mariaz mariazy, fiarakarahana matory, sns… Tranga anankiray vao niseho vao haingana, nisy ranatoa iray tratran’ny fanahy manambady. Devoly vavy no manambady azy, devoly “homosexuel” na “lesbienne”, no manambady azy. Rehefa natao ny dinidinika, hay tamin’izy vao 6 taona, dia nanao kivadivady niaraka tamin’ny ankizivavy kely namany. Tamin’io fotoana io arak’izany, no nidiran’ny fanahy manambady, izay devoly vavy tao aminy. Ny devoly dia tsy te-hahalala, na diia mbola zaza, aza. Rehefa misy hirika azony itsofohana, dia idirany, satria “mpangalatra izy, tsy mba miditra ny vavahady fa mananika ny fefy”. Tsy maintsy nibebahana izany zavatra natao tamin’ny tsy fahalalana tamin’ny fahazazana izany, fa raha tsy izany, dia tsy niala mihitsy ilay devoly janga tao anatiny. Tsarovy fa ny devoly dia tsy miantra na mangoraka na oviana na oviana, koa ireny zazakely ireny, eny hatramin’ny zaza menavava aza, dia viravirainy sy ataony tsinotsinona. Izany no mahatonga ireny tranga fahita sy rentsika amin’ny andavanandro ireny hoe, lehilahy lehibe nanolana zaza 6 taona… Devoly janga sy fanahy manambady no manjaka ao anatiny, koa tsy mifidy na iza na iza, hatramin’ny zaza tsy manan-tsiny sy tsy mahalala na inona na inona.  Izany indrindra no antony hanazarana ny ankizy hianatra Tenin’Andriamanitra, hidirany ao amin’ny Sekoly Alahady, mba hahafahan’ny Fanahy Masina miaro azy amin’izany zava-doza izany.
  • Fijerena sary, sarimihetsika, fahitalavitra, boky, tantara miendrika fijangajangana. Fitaovana mahomby sy manara-penitra eo am-pelatanan’I Satana ireo zavatra voalaza ireo. Ilay mpanorina ny Fiangonana satanika atao hoe “Antony Lavey”, dia nanabmara mazava fa “izahay, amin’ny alalan’ny fahitalavitra na ny televiziona, dia mahazo olona be lavitra noho I Jesosy Kristy”. Raha mijery film miendrika fijangajangana ny olona iray ohatra, dia ilay devoly janga mampijangajana ireo mpanao sarimihetsika, miditra moramora ao amin’ny mpijery, dia manambady azy, saingy tsy fantany.
  • Ny firaisana ara-nofo mialohan’ny fanambadiana dia fandrika ihany koa avelatr’I Satana hambaboana olona maro, indrindra ny tanora, ho vadiny. Eo anatrehan’Andriamanitra, dia fahalotoana sy fahavetavetana, ny firaisana alohan’ny fanambadiana, satria fandikana ny didin’-Andriamanitra sy fanaovana tsinotsinona ny lalànan’ny fanambadiana. Tsy mahagaga raha tafiditra ao anatin’ny olona iray ny fanahy ratsy sy maloto, mangeja sy mamiravira azy. Isan’ny laharam-pahamehana eo amin’ny devoly ny fanimbana ny fahadiovana, na ny maha-virijiny, na eo amin’ny lehilahy izany, na eo amin’ny vehivavy, mba hahazoany manakorontana sy mandrava ny planinan’ny fanambadiana.
  • Ny firaisna ara-nofo ivelan’ny fanambadiana koa dia manampy rotraka sy manamora ny fidiran’ny fanahy manambady ao amin’ny mpanota iray. Ny endrika isehoan’izany ohatra dia ny fampirafesana, na ny fakam-badin’olona: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny
  • fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra(Heb 13: 4).

    . Ny mifanambady mpihavana ihany koa dia lalana idiran’ny fanahy Manambady ao anatin’ny olona iray. Tsy voatery hisy firaisna aara-nofo akory izany. Rah any Testamenta taloha nojerena, ny hoe “Aza mandry” amin’ny havanao akaiky, voalaza ao amin’ny Lev 18, dia tsy hafa, raha ny teny fototra no jerena, fa hoe: “aza mijery ny fitanjahany”: “ Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho no Jehovah” (Lev 18: 6). Tena fady arak’izany ny fijerena fotsiny aza ny fitanjahan’ny Havana akaiky, ary fahotana mahafaty mihitsy ao amin’ny Baiboly. Ny fijerna fotsiny ny fitanjahan’ny rainy, teo amin’ny zanak’I Noa, dia niteraka fanozonana ho azy sy ny taranany: “ Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy, dia nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. Ary nalain’i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy” (Gen 9: 22-23).

    . Ny fanaovana an-keriny na “viol” dia vavahady ngezabe idiran’ny fanahy manambady. Ao amin’ny Baiboly, ian’ny tantara anankiray mampalahelo ny nahazo an’I Dina: “ DIA nivoaka Dina, zanakavavin’i Lea, izay naterany tamin’i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’i Hamora Hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy… Ary ny zanak’i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ny zanakavavin’i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany” (Gen 34: 1,2,7). Fomban’I Satan any mampiasa herisetra, mna hanatrrany tanjona tiany ho kendrena.

    . Ny fitsiriritana ihany koa dia ampiasain’ny devoly hisisihana ao anatin’ny olona iray mba hikambanana aminy. Mazava ny Tenin’I Jesosy mahakasika izany: “ Efa renareo fa voalaza hoe: ,,Aza mijangajanga” (Eks. 20.14). Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady” (Matio 5: 27-28). Endrika telo no isehoan’izany fitsiritana izany:

    • Fahatsiarovana ny fijangajangana tamin’y fiarahana tamin’olona taloha

     na fahiny. Tsy tokony hahatsiaro ny lasa iontsony, fa hatao taim-boraka ireny, ary tokony haharikoriko antsika na dia ny fiheverana izany aza.

    • Fijerena sy fitsirirtana lehilahy na vehivavy, tahaka izay nahazo an’I

    Davida fahizay “nijery vehivavy nandro”.

    • Famisavisana zavatra ho avy, fieritreretana filana ara-nofo ho tanterahina.
  • Ny fitafiana tsy mendrika dia fitaovana mahasarika loatra nydevoly Janga, toy ny akanjo fohy, manify, mitanjaka.  Toy izany koa ny olona miboridana eny amoron-dranomasina ohatra.Ny 90% ny oona mihanjakanjaka eny amin’ny plage sy ireo fikambanan’ny mpitanjaka, dia rakotry ny devoly manambady avokoa. Jesosy dia nanoro hevitra ny mpino mba hanana fitafiana ara-dalàna, mba tsy “hisehian’ny fitanjahana”: “fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao” (Apo 3: 17-18). Ireny dobo filomanosana, na piscine ireny dia rano maloto hiandronan’ny fanahy manambady sy ny devoly janga. Milomano ao daholo, n any mpijangaana, n any mpaka vadin’olona, ny mpampiarafy, ankoatry ny fijerena ny fitanjahan’ny hafa. Mora dia mora ny fifindran’ny devoly arak’izany, ao anaty dobo filomanosana.
  • Ny fitadiavana fahafinaretana samirery (masturbation): fitaka ataon’ny devoly ihany koa izany. Ny olona izay zatra mpanao izany dia mihevitra fa izy irery no manatanteraka izany. Tsy fantany anefa fa eo anilany eo ny devoly, miara-milalao aminy zava-dratsy sy zava-betaveta. Dia lasa fahazarana ho azy ary tsy afaka mihitsy izany, raha tsy ibebahana sy manao divorce na fisarahana amin’ny devoly sy ilay fahotana. Mila mitandrina ny kristiana, mba tsy hanahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, ny amin’ny fikajiana ny vatana sy ny rantsam-batana ary ny taovam-pananahana: “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra” ( I Tes 4: 3-5).  Tsy hafa izany fa fijangajangana an’eritreritra sady ampiharina amin’ny vatana ihany koa. Ny lehilahy na vehivay manao izany zava-dratsy izany, rehefa miaraka amin’ny vadiny, dia tsy hahita fifaliana na oviana na oviana, satria ilay devoly izay mampanao azy izany, dia manelanelana azy sy ny vadiny, mampisaraka, satria izany no asany sy tanjona kendreny.

    . Ny fanatanjaha-tena isan-karazany izay mampiboridana. Tsarovy fa ny fanahy manambady dia devoly janga, noho izany, ny fihetsika na fitafy rehetra mitarika ho any amin’ny fitsiriritana, dia mazava ho azy fa varavarana midanadana ahazoan’izy ireo mitsofoka ao amin’ny olona iray. Ohatra amin’izany, ny filomanosana na “natation”, ny gymnastique artistique…

  • Ny alim-pandihizana na bal: isan’ny sehatra ihany koa mampifalihavanja ny fanahy manambady, ary ahazoany mitsofoka ao amin’ny olona izay mankafy izany. Na ahoana na ahoana filazantsika, ny bal dia fijangajangana mihatra amin’ny tena fotsiny izao, sady filan’ny maso no filan’ny nofo, ary rehaka amin’izao fiainana izao: “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany” (I Jaona 2: 16).

  • Ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy, ny vavy samy vavy (homosexualité) :

    Ity fomba ratsy ity dia efa mihanaka sy miely eran’zao tontolo izoa, ary misy firenena vitsivitsy efa manaiky azy io ho ara-dalàna. Ny Baiboly dia efa nahatsinjo sy nahita izany, hatramin’ny fahagola: “Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony;  ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany” (Rom 1: 26, 27); “Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany” (Lev 18: 22).

  • Ny firaisana amin’ny biby ihany  koa dia tena zava-doza: “Ary aza mandry amin’ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ny biby; fa zavatra fady indrindra izany” Lev 18: 23).

  • Ny fahatezerana dia fomba ahafahan’ny fanahy manambady miditra ihany koa ao anatin’ny olona manana fahalemena ny amin’izany. Tahaka ny rao-dia sy ny fandika, ny fanahy manambady da fanahy mirenireny “mitady izay arapany”. Koa mila miambina tsara isika, satria io fahatezerana io no fahotana akaiky indrindra mahavoa ny krisitiana maro amin’izao fotoana izao.

    Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” (Gen 4: 6,7). Mamitsaka eo am-baravaran’ny fon’ny olona mora tezitra ny devoly karazany maro, isan’izany ny fanahy manambady!

  • Ny namana ihany koa dia fitaovana mety mamindra ny fanahy manambady amin’ny olona iray. Raha misy lehilahy iray mijangajanga ohatra, misy an’io fanahy manambady io, ka misy olona miaraka aminy, dia mazava ho azy fa ifindran’io fanahy ratsy io izy, indrindra raha olona tsy mivavaka na tsy miambina tsara. Mety ho tratran’izany ny mpivady, ny mpifamofo, ny mpianaka, mpiray tam-po, ny mpisakaiza, sns…Izany no mahatonga ny Soratra Masina hiteny: “aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao” (ITim 5: 22). Ohatra iray amin’ny resaka namana ny facebook, izay mahatonga ny olona ho mpinamana, na dia olona tsy mifankalala aza.

  • Ny fitondrana akanjo, satroka, kiraro…misy sary fijangajangana, na olona mpijangajanga, toy ny mpihira, mpanao politika, mpanao baolina…dia isan’ny varavarana midanadana idiran’ny fanahy manambady.

    VOKA-DRATSIN’NY FISIAN’NY FANAHY MANAMBADY EO AMIN’NY OLONA IRAY

    Ny fitsofohan’ny fanahy manambady ao amin’ny olona iray dia tena faran’izay mahatsiravina tokoa. Tahakan’ny fahatongavan’ny mpangalatra sy ny mpandroba ao amin’ny tokantrano anankiray no fihaviny, mamaky varavarana, manakorontana ny ao an-trano, mangalatra sy mandroba…Marina tsy azo iadian—kevitra ny tenin’I Jesosy: “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10: 10). Ndeha ary ho jerentsika amin’ny antsipiriany ny fomba idiran’ny fanahy manambady ao amin’ny olona izay tratrany, sy ny zava-doza aterak’izany.

  • Raha vao latsaka ao anatin’ny fitsiriritana fotsiny ny olona iray, dia devoly janga folo (10) na fanahy manambady (10) no indray miditra ao aminy. Toy izao no fomba idirany:

  • Devoly roa eo amin’ny maso (iray amin’ny havia, iray amin’ny havanana).
  • Devoly iray eo amin’ny vava.
  • Devoly roa eo amin’ny tratra (iray amin’ny ilany havia, iray eo amin’ny havanana).
  • Fanahy ratsy iray eo amin’ny kibo-
  • Raha tena fijangajangana mihitsy no nahazo azy, dia devoly janga na fanahy manambady telopolo (30) no indray mibosesika ao.
  • Efatra eo amin’ny maso roa
  • Efatra eo amin’ny vava
  • Efatra eo amin’ny tratra na nono
  • Efatra eo amin’ny kibo
  • Folo eo amin’ny taovam-pananahana
  • Efatra eo amin’ny fitombenana.
  • Tsara ny manamarika fa amin’ny nofy na ny fahitana, devoly iray no mody miseho mamaitaka amin’ny alalan’ny endrik’olona, fa raha ny marina dia tsy maintsy miaraka be dia be izy.

    Ny faritra tafihin’ny fanahy manambady mivantana amin’ny tenan’ny olombelona, dia ny taovam-pananahana, na eo amin’ny lehilahy, na eo amin’ny vehivavy. Ny mahatonga izany, raha vao tafiditra eo amin’ny

    olona iray izy, dia manambady, na manao firaisana aminy avy hatrany. Mazava ho azy, fa amin’ny fomba tsy hita maso izany, saingy azo porofoina kosa amin’ny alalan’ny nofy, efa noresahantsika tany aloha. Raha manonofy manao firaisana amin’ny olona ilay lehilahy na vehivavy, dia tsy olona velively iny miaraka aminy iny, fa devoly maka endrik’olona. Na dia sanatria ny vadinao aza no azonao nofy, dia tsy ny vadinao velively iny miaraka aminao iny, fa devoly maka endrik’olona. Ireto avy ny aretina na korontana, fahavoazana ateraky ny fidiran’ny fanahy manambady:

  • Eo amin’ny lehilahy: miteraka aretina samihafa, toy ny angatra; ny mangidihidy, ny mibontsimbotsina, fahalemen’ny taovam-pananahana (impuissance), homamiadan’ny prostate, fivontosana eo amin’ny vihy, hemorroide, ny mangirifiry eo amin’ny taovan-pananahana. Vokany: miteraka fahamombana eo amin’ny lehilahy, tsy fahafahana miaraka amin’ny vady…
  • Eo amin’ny vehivavy: misy koa ny aretin-dratsy maro isan-karazany, toy ny angatra, ny fivontosana eo amin’ny taovam-pananahana, homamiadan’ny tranon-jaza na ny vozon’ny tranon-jaza, tsiranoka fotsy mivoaka amin’ny fivaviana, ny kyste na fibrum, ny korontana eo amin’ny fadim-bolana…Vokatr’izany, dia mitarika ho any amin’ny fahamombana,, ny fahafahan-jaza,ny zaza an-tsoson-koditra ny fahafatesan’ny zaza ao an-kibo, ny fahasembanana eo amin’ny zaza. Io ihany koa no mahatonga ny teraka tsy tonga volana…Ary imbetsaka ihany koa ny tranga ahitana, fa heverina ho bevohoka ny olona anankiray, saingy tsy misy zaza akory ao, fa na rivotra, na zavatra tahaka ny habokabon-kena, na ihany koa biby, tahaka izay nitranga vao haingana, biby nisy elatra no tao anaty kibon’ilay ramatoa, nivoaka tao rehefa nanaovana asan’Andriamanitra.
  • Tiana ihany koa  manamarika fa manafika ihany koa ny zazakely sy ny ankizy ny fanahy manambady. Ny ankabeazan’ny antony mahatonga izany, dia ny fisian’izany eo amin’ny ray aman-dreny, na ny lahy n a ny vavy. Mifindra ho azy amin’ny ankizy izany, indrindra raha tsy ampy fanoloran-tena sy tsy ampy vavaka ho an’ny zanany ny ray aman-dreny.  Fomba ihany koa idiran’ny fanahy manambady amin’ny ankizy, ny kilalao ratsy na ny kivadivady atao amin’ny fahakely. Ohatra iray azo tsapain-tanana, ny amin’ny vehivavy iray izay nidiran’ny fanahy manambady, devoly vavy. Rehefa natao ny dinidinika, dia hita fa tamin’izy vao enin-taona no nanao kilalao ratsy tamin’ny ankizivavy namany, ary nanomboka tamin’izay no nitoeran’ny fanahy ratsy tao aminy.
  • Ny fitoeran’ny fanahy manambady tao amin’ny ankizivavy iray, dia nitarika azy tsy hanana toe-batana vonona amin’ny fanambadiana: tsy misy nono, tsy mandeha ny fadim-bolana, tsy misy hetahetam-pitiavana ao anatiny, mangatsiaka tsy tia lehilahy na vehivavy…Ny tanjon’ny devoly amin’izay, dia ny mba ho virijiny foana ilay tanora, tsy afaka hanambady olombelona mitovy aminy, ary dia ho vadiny mandrakizay.
  • Ankoatry ny aretina entin’ny fanahy manambady ao anatin’ny olona iray, indrindra manodidina ny taovam-pananahana, dia manapotika ihany koa izy ny fiainan’ny mpivady. Araka ny voalaza tery aloha, tsy tian’ny devoly velively ny lehilahy na ny vehivavy hanambady olombelona mitovy aminy, satria saro-piaro loatra izy, noho izany ataony amin’ny fomba rehetra ny hampiadiana, ampisarahina ny mpivady, eny hatramin’ny aretina sy ny fahafatesana aza. Ny tenantsika koa anie dia lazain’ny devoly fa tranony e: “Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity” (Matio 12: 43-45).
  • Araka izany, ny fanahy manambady, satria tiany hofikirina irery ilay lehilahy na vehivavy, tsy tiany ho “lasan’olon-kafa”, dia izy no fototry ny korontana sy ny disadisa ary ny fisarahana eo amin’ny vady:

  • Mitarika ny fangatsiahan’ny fitiavana eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy. Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray tratran’izany fanahy manambady izany: “Mahagaga ahy, fa rehefa tsy eo akaikiko ny vadiko, fa any lavitra any, dia tena malahelo azy aho, rehefa tonga eo akaikiko anefa, halako fotsiny izao”. Hitantsika arak’izany, fa ny devoly no fototry elanelana eo amin’ny mpivady.
  • Mahatonga ihany koa ny fahalainana amin’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady, na eo amin’ny lehilahy izany, na eo amin’ny vehivavy. Zava-doza indrindra ny fiantraikan’izany, fa tandremo ihany raha misy tranga tahaka izany eo amintsika. Hoy ny mpanompon’Andriamanitra lehilahy iray: “Izaho rehefa mba te hiaraka amin’ny vadiko, tsy mety mihintsy izy, izao no teniny hoe- ny anao koa izany foana-. Vokatr’izany, te hijangajanga any ivelany aho, hoy ilay lehilahy. Raha misy sanatria tratran’izany, manatona haingana hafahan’I Jesosy Kristy. Ny firaisana ara-nofo, dia zava-masina ary adidin’ny lehilahy amin’ny vehivavy, ny vehivavy amin’ny

    lehilahy: “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy.Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo” (I Kor 7: 3- 5).

    Isan’ny antony mahatonga izany fahalainana izany ny harerahana ataon’I Satana, ny aretina entiny ihany koa isan-karazany, araka izay mbola ho hitantsika, ny fankahalana sy ny tsy tia mainty tsotra izao.

  • Ny fanahy manambady ihany koa no fototry ny disadisa mitarika ady sy fifandirana, fifamonoana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy vadiny. Ny anton’izany, dia ataon’ny devoly tsy mahita zavatra tsara eo amin’ny vadiny miitsy, na ny lehilahy na ny vehivavy. Hatramin’ny endrika amam-bika aza, na dia faran’izay tsara tarehy aza ralehilahy, na ravehivavy, tapenan’ny devoly ny masony tsy hahita izany. Hadinon’ny fampianaran’ny Baiboly mahakasika ny olon-tiana, dia ny vady izay tokony hoderaina sy hankalazaina, amin’ny hatsarana nomen’Andriamanitra azy: “Indro, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy hianao; Voromailala ny masonao.  Indro, tsara tarehy hianao, ry malalako, Eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika” (Tononkira 1: 15, 16).
  • Tranga be dia be no hita amin’izany fifandraisan’ny mpivady izany, vokatry ny fisian’ny fanahy manamabady eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy: fangatsiahan’ny fitiavana, fifankahalana (tsy tia mainty), fahatezerana, lolom-po, ady sy fifandirana, fifamonoana, fisintahana, fisarahana vetivety, miafara amin’ny fisarahana tanteraka.

  • Ny fahasarotam-piaro ihany koa dia toetra volen’ny devoly ao anatin’ny mpivady, na ny lehilahy, na ny vehivavy. Mila mieritreritra  tsara ny olona saro-piaro, fa ny ankabeazan’izy ireny dia misy fanahy manambady. Tsy dia fitiavana loatra araka izay eritreretin’izy ireny akory no anton’izany, fa tena filan’ady sy fiahiahiana tsotr’izao, hahatonga ny elanelana sy ny tsy fifampitokisana eo amin’ny mpivady.
  • Ny fanahy manambady dia mampirisika ny lehilahy na ny vehivavy vadiny hijangajanga amin’olon-kafa. Na ilay misy fanahy manamabady, na ny vadiny tsy misy izany, dia ampirisihany ho amin’izany toetra ratsy izany. Ny tanjon’ny devoly amin’izany dia ny iadiavan’ny mpivady, sy ny iampangan’ny vadiny azy amin’ny fijangajangana izay ataony, iadiavany aminy ary isarahany aminy tanteraka. Mihevitra  ilay “tsy mijangajanaga”
  • fa tsy tokony hanambady intsony io vadiny manitsakitsaka azy io, ary dia mitady izay fomba rehetra isarahana aminy. Tsarovy anefa rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, fa tsy any amin’ilay vadinao mijangajanga ara-nofo ny fototry ny fahavoazana, fa ao aminao ilay “fijangajangana ara-panahy”, manambady devoly. Tsy fidiny amin’io vadinao io ny miaraka amin’ny olon-kafa, fa ampirisihion’ilay devoly manambady anao izy, hanatanteraka izany filan-dratsy izany, hahatonga korontana sy fisarahana tanteraka eo aminareo. Amin’izay ianao dia vadiny foana mandrakizay. Tena mpamitaka anie ny devoly, ary fantatsika loatra ny hafetseny, fa tandremo! “Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” ( II Kor 11: 14).  

    • Ankoatr’izany, mitarika any amin’ny fahotana hafa ihany koa ny

    fisian’ny fanahy manambady ao amin’ny olona iray. Ohatra amin’izany ny fidorohana zava-maha-domelina (toaka, paraky, sigara, rongony).

    Tokana ny tanjon’ny devoly: ny hampisaraka tanteraka ny mpivady!

      “Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka hianareo ” (Malakia 2: 16).

    NY DEVOLY RAO-DIA SY FANDIKA : MPIARA-MIASA AKAIKY AMIN’FANAHY MANAMBADY

    Aoka ho ao anatin’ny saintsika kristiana, fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy devoly dia tena tonga lafatra. Rehefa tafiditra ao amin’ny olona ny fanahy manambady anankiray (tsy iray velively anefa izy no ao, fa fara-faha-keliny, misy telo ka hatramin’ny roapolo), dia mbola miantso devoly hafa ihany koa. Karazana devoly roapolo samihafa no mety hiaraka ao amin’ny olona misy fanahy manamabady fa tandremo! 

    Ny hojerentsika androany, sady ampahatsiahivina iohany, satria efa hitantsika tamin’ny laharana NICE 100, fa ny devoly RAO-DIA sy FANDIKA dia tena mpiara-miasa akaiky amin’ny FANAHY MANAMBADY. Ho an’izay mbola tsy nahalala, satria be dia be no tsy mahalala, dia indro averina ny momban’ny devoly Rao-dia sy ny fandika sy ny asa ratsiny:

    Ny rao-dia dia avy amin’ny teny malagasy anankiroa atao hoe “Raoka” sy “Dia”. Aretina azo vokatry ny fandraofan’ny hafa ny vovoka avy nitsahin’ny tongotra, asiany fanafody ratsy famosaviana iny ary dia miteraka aretina ratsy amin’ny tongotr’ilay nokendrena. Tsy izany ihany anefa, fa na dia tondroin’ilay olona te hanisy ratsy fotsiny amin’ny fanondrony aza ny dian’ilay olona kendrena, dia efa ampy hahatonga aretina sy asan’ny devoly aminy izany. Manampy izany ihany koa ny fitaovana fanao amin’ny tongotra, toy ny kiraro na ny ba, dia azon’ny tsy tia amindrana na andefasana izany aretina “Rao-dia” izany. Miditra eo amin’ny rantsana faharoa akaikin’ny ankihibe amin’ny tongotra havia, ny devolin’ny rao-dia.

    Ny fandika dia tsy hafa fa fanafody mipetraka amin’ny tany, na ny lalan-kaleha, na any an-tokatrano, ka voadika tsy nahy, na fanahy iniana natao hamelezana olona mandalo eo amin’ny toerana iray. Eo amin’ny antsasaky ny faladia amin’ny tongotra havanana kosa indray izy no miditra, ary tsy heno ihany koa ny fidirany amin’izany, mandra-pahatongany eny amin’ny antsasaky ny ranjo

    Tsy heno ny fidiran’ireo aretina roa ireo amin’izany, fa misoko mangina. Tsy maintsy miaraka, tahaka ny mpivady izy ireo, miakatra moramora izy amin’izany, manaraka ny felan-tongotra, mahazo ny kitrokely, ny ranjo. Rehefa tonga eo amin’ny antsasaky ny ranjo izy, dia manomboka mamolivoly, na mangidihidy, mararirary manandrify ny rantsana. Rehefa tonga eo amin’ny lohalika izy, raha tiany, dia mijanona eo ary mitarika aretina sy fanaintainana ary fivontosana eo amin’izany faritra izany. Ny Rao-dia sy fandika dia fototra

    sy antony mahatonga ny aretin’ny lohalika eo amin’ny zokiolona, na ny antitra. Mivonto izy ireo, ary mitarika fanaintainana sy tsy fahafahana mandeha tsara, ka mahatonga ny olona voany handringa sy hijaly amin’ny fandehanana. Misy devoly manararaotra mitsofoka eo amin’ny lohalika, dia ny devolin’ny fahalemena sy ny devoly kilemaina, manampy ny devolin’ny rao-dia sy ny fandika. Ohatra iray amin’izany ny mamanay, izay efa 82 taona amin’izao fotoana izao, ary efa tany amin’ny dimy taona tany ho any no efa narary lohalika, nivonto, ary tena sahirana tamin’ny fandehanana. Vao iray volana mahery kely teo izay vao fantatra fa hay rao-dia sy fandika no nahazo azy. Rehefa fantatra izany dia natao avy hatrany ny asan’Andriamanitra sy ny fandroahana ireo karazana devoly ireo. Mila fantarina tsara ny aretina mahazo ny olona iray, sy ny devoly mamikitra amin’izany faritra izany, mba hahafahana mandroaka sy manapotika azy. Tiana ny manamarika fa ny devolin’ny Rao-dia sy ny fandika, dia faran’izay mora roahina sy resena, satria devoly saro-tahotra sy kely aina (devoly malemy sy mandringa), saingy manao mpamosavy malemy, misoko miadana, sy homa-miadana, ary tompon’andraikitry ny aretina homamiadana amin’ny faritra sasany amin’ny vatana.

    Mijanona eo ireto karazana devoly roa farany ireto, fa ny rao-dia sy ny fandika kosa dia manohy ny diany miakatra, hatrany mankany ambony.

    Andalovany ny fe sy ny foto-pe, fa ny taova tiany hasiana kosa, dia ny tranon-jaza eo amin’ny vehivavy, ary ny prostate, ho an’ny lehilahy. Ireo devoly ireo no tompon’andraikitra ny aretina maro ao amin’ny tranon-jaza, toy ny fibrum, ny zaza antsoso-koditra, ny cancer na ny homamiadan’ny col sy ny tranon-jaza. Miara-miasa amin’ny devoly janga, ny devolin’ny fahafatesana ary ny devoly tsy tia zaza mena ny devolin’ny rao-dia amin’izany rehetra izany, manapotika sy mampahory ilay olona sy ny taova manodidina toy ny tranon-jaza, ny col, ny lalan-jaza. Betsaka ny fiantraikany ratsy amin’ny fandalovan’ireo miaramilan’I Satana ireo ao amin’ny tranon-jaza, toy ny fahamombana, ny fahafahan-jaza, ny fahafatesan’ny reny na ny zaza eo amin’ny fiterahana, ny aretin-dratsy vokatry ny firaisana ara-nofo, toy ny angatra…, ny zaza an-tsoso-koditra, ny tsiranoka fotsy avy any amin’ny fivaviana, ny korontana eo amin’ny fadim-bolana, ny zavatra mibontsina marary sy mangidihidy any amin’ny fivaviana, ny fandehanan-dra na hemorragie. Ohatra iray amin’ny aretina vokatry ny rao-dia, dia ilay vehivavy narary nandeha rà na hemorragie,nandritry ny roa ambin’ny folo

    taona, ka tsy sitran’ny mpitsabo sy ny fanafody, na dia nandaniana ny vola sy ny fananana rehetra aza: “Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona [Gr. narary nandeha rà] sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.[Gr. voavonjy]

    Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[Gr. fandehanan'ny ràny]

    Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?

    Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.

    Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.

    Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao (Marka 5: 25-34).

    Araka izany, raha vokatry ny Rao-dia sy ny fandika, miaraka amin’ireo devoly miara-miasa aminy ny aretin’ny tranon-jaza, dia tsy hisy fanafana sy fanasitranana raha tsy ny asan’I Jesosy irery ihany.

    Tahaka izany ihany koa eo amin’ny lehilahy, manafika ihany koa ny prostate ny devolin’ny Rao-dia sy ny fandika, ary miteraka aretina sy fahavoazana eo amin’izany taova izany: homa-miadana, fivontosana, fanaintainana eo anivon’izany taova izany. Mitarika fahamombana eo amin’ny lehilahy izany, fahalemen’ny taovam-pananahana, ary aretina maro eo amin’ny maha-lehilahy: angatra, fivontosana na hernie. Mitarika ihany koa ny hemorroide izy.

    Tahaka izay niseho tery amin’ny lohalika ihany koa, raha tsy nisy ny asa fandroahana devoly natao, dia mijanona eo amin’ny tranon-jaza sy ny prostate manapotika ireo taova ireo, ireo devoly voalaza tery aloha, fa ny devolin’ny fandika sy ny rao-dia kosa dia manohy ny diany miakatra manafika ny nono eo amin’ny vehivavy, ary ny avokavoka eo amin’ny lehilahy.

    Mijanona eo amin’ireo taova ireo ny fandika sy ny rao-dia, ary amin’ny maha-devolin’ny homamiadana azy ireo, dia mamorona izany aretina izany, ary miteraka fanaintainana sy fivontosana, ary fahavakiana eo amin’ny nono izy, eo amin’ny vehivavy. Mahakasika ny lehilahy kosa, dia aretina any anaty amin’ny havokavoka, manapotika mangina ny taovam-pisefoana sy ny momba azy rehetra, ary mitarika ihany koa ny homamiadana, ny sempotra, ny tuberculose, ny aretim-po, ny vokatry ny fahatongavany any amin’ny faritra ambony amin’ny vatana.

    Manampy azy ireo min’izany ny devolin’ny fangirifiriana sy ny fahafatesana, ary ny fiainan-tsy hita.

    Koa satria, araka ny voalaza tery aloha, devoly mora roahina ireo tonga ao ireo raha mino an’I Jesosy ilay marary, dia ho mora ny fanasitranana azy.

    Ahoana no ahafantarana ny faritra misy ny devoly sy ny fandika amin’ny vatan’ilay olona? Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Fanahy Masina, miaraka amin’ny fahamasinan’ny mpanompon’Andriamanitra, dia tokony ho fantatra hoe, aiza ho aiza izao no misy ilay aretina. Azo porofoina ihany koa izany amin’ny fanotaniana ny marary ny amin’ny faritra maharary ny amin’ny vatany. Azo anontaniana an’I Jesosy ihany koa izany amin’ny alalan’ny valim-bavaka, toy ny nofy na fahitana ohatra. Raha manonofy ohatra ilay marary na ny mpanompon’Andriamanitra, rehefa nitondra amim-bavaka, fa nokaikerin’ny bibilava eo amin’ny fen’ilay marary, dikan’izay, eo izay ny toerana misy ilay devoly. Ny fomba androahana azy, dia tahaka izao. Tendrena amin’ny rantsan-tanan’ilay mandroaka devoly amin’ny tanany havia, ny rantsan-tongatra manakaiky ny ankihibe eo amin’ny tongotra havia izay nidiran’ny rao-dia, ary ny tanana ankavanana kosa ery amin’ny faritra ambony izay efa misy ilay devoly, dia roahina miverina midina ireo devolin’ny rao-dia ireo, amin’ny aanaran’I Jesosy avy any Nazareta, miaraka amin’izay devoly hafa nanampy azy teny am-pandehanana. Atosika midina fa tsy averimberina, ary atao izay ivoahany eo amin’ny faritra izay nidirany. Toy izany ihany koa no fandroahana ny devoly fandika. Apetraka eo amin’ny tampon-tongotra ankavanana ambony ny tanan’ny mpiandry havia, ary ny tanana havanana kosa mandroaka ny devoly fandika sy ireo naman-dratsiny, midina mivoaka amin’ny toerana izay nidirany, ary dia tsy avela raha tsy mivoaka daholo. Ny mpiandry dia omen’I Jesosy famantarana ny fahafantarana ny fivoahan’ireo devoly ireo.

    Ry Havana malala, be dia be ny karazana aretina ateraky ny fandika sy ny rao-dia. Ara-panahy tanteraka anefa ny fahalalana sy ny fahafantarana

    Izany, noho izany dia mitaky fahamasinana tanteraka amintsika mpanompon’Andriamanitra indrindra indrindra.

    Ny mampalahelo dia izao: mpanompon’Andriamanitra maro no tratran’ireo aretina vokatry ny rao-dia sy ny fandika ireo, ary dia misy aza nindaosin’ny fahafatesana mihitsy. Ringana tokoa ny olona nohon’ny tsy fahalalana, ary na ny mpaminany sy ny mpisorona aza, dia lasan-ko babo ihany koa. Indrisy! Mampalahelo ary mampahonena, lasan-ko babo tahaka ny tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely fahiny indray ny zanak’Andriamanitra. Ataon’I Satana ampihimamba, nohon’ny tsy fahalalana sy ny torimasom-panahy. Jereo ange ny fomban’ny voalavo e: rehefa hihinana ny tongotry ny olona iray izy, dia tsofiny kely aloha, dia av eo kikisany moramora, dia haniny indray avy eo. Tsy henon’ilay olona mihitsy izany, ary farany dia laniny tanteraka ny faladiany manontolo.

    Ry vahoakan’Andriamanitra o, mifohaza, fa akaiky ny fandringanana. Ry mpanompon’Andriamanitra o, mitsangana, ento ny sabatrao ka aringano ny fahavalo, dia ny mamabo izay mananika ny manda. Tanteraka amin’izao fotoana izao ny faminanian’I Zefania mpaminany:

     “Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.

     Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. [Lopa] [Na: tsy mamela taolana]

    Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.

    Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.

    Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.

    Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[Heb. fonenany] [Heb. azy]

    Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.

     [Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. [Heb. soroka iray]

    Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. [Na: hitondran'ny mpivavaka amiko ... ny fanatitra ho ahy]

    Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao. Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,

    Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

    Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.

    Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.

    Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.

    Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [Heb. hangina]

    Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. [Na: efa lavitra] [Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]

    Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. [Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]

    Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah”

     

    FANAFAHANA NY OLONA TRATRY NY FANAHY MANAMBADY

    Araka ny voalaza tery aloha, ny mpiandry na ny mpanompon’Andriamanitra manana fanomezam-pahasoavana momba izany, dia efa mahalala raha vao manatrika azy fotsiny ny olona iray, ny fisian’ny fanahy manambady ao aminy na tsia. Ny mampalahelo ry havana, dia misy ny olona tsy mety mino ny fisian’izany fanahy ratsy izany ao aminy. Ny teniny dia ny hoe: “Izaho tsy misy izany, izaho efa nibebaka ary nanolotra ny fiainako ho an’I Jesosy, izaho tsy mijangajanaga, tsy manitsakitsa-bady. Isaky ny fitaka avo lenta ataon’ny devoly amin’ny kristiana, ny fandresen-dahatra ataony aminy, ao anatin’ny sainy, fa tsy misy devoly izy, ary tsy misy an’izany. Ry Havana malala o, sokafy ny masom-panahinao, ary henoy ny tenin’ny mpaminaninao, fa tsy ary ho fantsika avokoa ny zavatra rehetra, araka ny bokin’ny mpitoriteny: “RAHA nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina), dia hitako avokoa ny asan’Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory” (Mpitoriteny 8: 16, 17).

    Misy olona efa nomen’Andriamanitra manokana fanomezam-panahy hahalala ny zava-miafina ara-panahy, koa aoka ny fonao hahafantatra izany. Mahagaga sy mahatalanjona, fa raha ny olona eto amin’izao tontolo izao manana ny talenta sy ny fahaizana manokana no miteny na maneho hevitra, dia eken’ny olona zato isan-jato. Raha ny mpanompon’Andriamanitra kosa no mamapahafantatra ny zava-marina, betsaka ny mangidihidy sofina ka mamory mpampianatra ho azy, ary mandà ny fananarana atao azy mihitsy. Tandremo  anefa fa tsy azo ivalozana ny Te nin’I Jehovah ato amin’ny Deot 18: 18- 19“

    Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy”.

    Atolotra antsika ary ny fanafahana ny olona izay tratry ny fanahy manambady, misy an’ireo famantarana samihafa izay voalaza ery ambony, miaraka amin’ny voka-dratsiny isan-karazany.

    Misy dingana telo mazava tsara anantanterahna izany asa fanafahan,a izanay dia ireto avy: ny fibebahana, ny asa fametrahan-tanana sy fandroahana demonia, ary ny fanapahana ozona.

    1) Ny fibebahana

    Ny fibebahana no fototry ny fanafahana voalohany indrindra, amin’ny asan’ny devoly maro samihafa. Ny fisian’ny fanahy manambady ao amin’ny olona iray, araka ny hitantsika dia mifamatotra tanteraka amin’ny fijangajangana. Noho izany, ny fibebahana dia mifantoka tanteraka amin’ny fifonana sy ny fialana amin’izany fijanaganjangana izany. Ahitana ambaratonga telo, ifotorana ao anatin’ny telo andro,  ihany koa eo amin’ny fibebahana ny amin’ny fisian’ny fanahy manambady:

    Andro 1°: Soratana avokoa ny fahotana rehetra manodidina ny fijangajangana, hatramin’ny fahazazana, ka hatramin’izao. Alohan’izany anefa dia mivavaka mafy, mangataka ny Fanahy Masina hampahatsiaro ny ota rehetra izay natao, eny na dia ny ota tsy nahy aza. Manomboka izany amin’ny fitsiriritana isan-karazany, tamin’ny mbola kely, ny filana tsy voafehy, ny fieritreretana ratsy, ny fanatanterahana izany ara-bakiteny, ny fakam-badin’olona, ny fampirafesana, ny tokantrano maso, ny fivarotan-tena (mivantana na an-kolaka), ny fijerena sary na soratra na sarimihetsika mamoafady, ny fijerena fahitalavitra, horonan-tsary tsy fampiseho masoandro… Andro 2°: Ibebahana sy ivalozana eo amin’I Jesosy Kristy tsirairay ireo fahotana rehetra ireo. Tsy atao maimaika, fa mandritry  ny andro faharoa io, dia mijery fotoana sy ora ary toerana milamina tsara, dia raisina tsirairay ny fahotana voasoratra, dia ifonana sy italahoana famelan-keloka eo anatrehan’Andriamanitra. Andro 3°: Manao fisarahana tanteraka amin’ny devoly sy ny fahotana. Rehefa avy mivavaka mangataka ny Fanahy Masina, dia miteny hoe: “Amin’ny anaran’I Jesosy avy any Nazareta, izaho dia misaraka tanteraka amin’ireto fahotana rehetra ireto (tononina tsirairay ny fahotana, ary manapa-kevitra tsy hanao izany intsony mandrakizay. Androany koa aho, amin’ny anaran’I Jesosy avy any Nazareta, dia manao fisarahana tanteraka amin’ny devoly, tsy vadin’ny devoly aho, ary tsy manambady devoly mandrakizay”.

    Mahakasika ity dingana fahatelo ity, dia mety hisy ihany koa, tsy hoe ny manambady fanahy ihany, fa misy efa miteraka amin’ny devoly mihitsy. Voakasik’izany ieo izay manonofy bevohoka, manonofy miteraka, mitaiza zaza, na mampinono ihany koa! Ba dia be ny tranga mampivarahontsana, tahaka izay niseho tamin’ity lehilahy iray.

    Nanonofy aho, hoy izy, bevohoka zaza anankiroa, dia nodidiana ny kiboko avy eo nangalana ireo zaza ireo. Zava-doza! Efa bevohokan’ity fanahy manambady ity lehilahy ity, ary raha tsy voavonjy, dia hiafara amin’ny fandidiana azy mihitsy, amin’ny aretina sy ny asa ratsin’I Satana ao anaty kibo ao. Marina ny voalazan’ny Baiboly: . Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any

    ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ny alokaloka any (Isaia 34: 15a); Mikotrika ny atodin’ny menarana izy Ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, Fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao “Isaia 59: 5).

    Raha izany no miseho, dia efa tena manan-janaka devoly ao an-kibo ao ilay olona. Na ihany ko efa niteraka devoly izy. Inona no fiantraikan’izany, eo amin’ilay olona misy ilay fanahy manambady? Mazava ho azy fa tsy hahazo zaza intsony izy, rehefa niteraka tamin’ilay devoly. Saro-piaro be mantsy ilay devoly manambady, tsy avelany intsony hanambady na hiteraka amin’ilay vadiny izy! Izany no mahatonga ny fahamombana, ny zaza an-tsoso-koditra, ny fahafahan-jaza, ny fahafatesana eo am-piterahana, ny zaza farofy lava, na ny fahafatesana eo amin’ny zaza menavava sy ny ankizy mihitsy 

    Raha nanonofy bevohoka hafahafa tahaka ilay ohatra tery ambony ilay olona: esorina amin’ny anaran’I Jesosy avy any Nazareta ilay zanaka devoly (zaza tsy hita maso io an, fa tsy ny tena zaza ao an-kibo akory) ao an-kibo ary atsipy any amin’ny helo. Tena miteny mihitsy hoe: “Amin’ny anaran’I Jesosy avy Nazareta, tsy bevohokan’ny devoly izany aho, ary tsy manan-janaka devoly, noho izany dia esoriko amin’ny anaran'i Jesosy ny zanaka devoly ary atsipiko any amin'ny helo amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta!

    Mahakasika ity dingana fahatelo ity, dia mety hisy ihany koa, tsy hoe ny manambady fanahy ihany, na bevohokoan'ny devoly, fa misy efa miteraka amin’ny devoly mihitsy. Voakasik’izany ieo izany ireo manonofy miteraka, mitaiza zaza, na mampinono ihany koa! Ba dia be ny tranga mampivarahontsana, tahaka izay niseho tamin’ity lehilahy iray.

    Nanonofy aho, hoy izy, bevohoka zaza anankiroa, dia nodidiana ny kiboko avy eo nangalana ireo zaza ireo. Zava-doza! Efa bevohokan’ity fanahy manambady ity lehilahy ity, ary raha tsy voavonjy, dia hiafara amin’ny fandidiana azy mihitsy, amin’ny aretina sy ny asa ratsin’I Satana ao anaty kibo ao. Marina ny voalazan’ny Baiboly: . Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any

    ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ny alokaloka any (Isaia 34: 15a); Mikotrika ny atodin’ny menarana izy Ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, Fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao “Isaia 59: 5).

    Raha izany no miseho, dia efa tena manan-janaka devoly ao an-kibo ao ilay olona. Na ihany ko efa niteraka devoly izy. Inona no fiantraikan’izany, eo amin’ilay olona misy ilay fanahy manambady? Mazava ho azy fa tsy hahazo zaza intsony izy, rehefa niteraka tamin’ilay devoly. Saro-piaro be mantsy ilay devoly manambady, tsy avelany intsony hanambady na hiteraka amin’ilay vadiny izy! Izany no mahatonga ny fahamombana, ny zaza an-tsoso-koditra, ny fahafahan-jaza, ny fahafatesana eo am-piterahana, ny zaza farofy lava, na ny fahafatesana eo amin’ny zaza menavava sy ny ankizy mihitsy aza.

    Izany no antony tsy maintsy anaovana ireto fanafahana ireto raha nanonofy bevohoka hafahafa tahaka ilay ohatra tery ambony ilay olona: esorina amin’ny anaran’I Jesosy avy any Nazareta ilay zanaka devoly ao an-kibo ary atsipy any amin’ny helo. Tena miteny mihitsy hoe: “Amin’ny anaran’I Jesosy avy Nazareta, tsy bevohokan’ny devoly izany aho, ary tsy manan-janaka devoly, noho izany dia esoriko amin’nyanaran’I Jesosy avy Nazareta ny zanaka devoly ato anatiko”.

    Nanonofy nampinono na nitaiza zaza hafahafa. Ohatra amin’izany

    Ramatoa iray nanonofy nampinono izy, dia zaza maty no teo an-tratrany, ninono teo aminy. Rehefa nojerena ny loha-nono dia efa feno poizin’ny devoly. Na ihany koa tranga anankiray hafa: nanonofy nitrotro zaza ity ramatoa iray, dia avy hono olona anankiray nitondra antsy nanindrotsindrona ilay zaza teo an-tratrany, fa tsy nandeha rà, tsy maty tsy naninona ilay zaza. Izany no porofo fa tsy olombelona io notezainy io fa fanahy ratsy. Noho izany, tsy maintsy ariana amin’ny anaran’I Jesosy avy Nazareta ilay zaza, ary ariana any amin’ny helo mirehitra afo! Tsy maintsy ataontsika izany, mba tsy ny tenantsika rehetra no ho voafatotry ny devoly ka ho very any amin’ny helo: “Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ny helo (Matio 5: 29).

    Mba hahatanteraka ny fibebahana, dia tsara ihany koa ny manao fifadian-kanina, araka izay azo atao mandritry ny telo andro. Fahamasinana tanteraka no takiana ihany koa mandritr’izany.

    Rehefa vita tsara ny fibebahana telo andro dia dorana ny taratasy mirakitra ny fahotana izay natao.

     

    2) Fandroahana ny devoly fanahy manambady sy ny fanahy ratsy miaraka aminy

    Tsara marihina aloha, fa tokony hisy mpanompon’Andriamanitra hafa efa voahosotra handroaka ny devoly amin’ny olona iray, izay voafatotry ny fanahy manambady. Olona izay manana ny Fanahin’Andriamanitra afaka hamaha ny mpifatotra sy hamoaka ny ao an-tranomaizina: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy;

    Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina” (Lioka 4: 18). Arak’izany tsy mety ny mitompo teny fantatra ka mihevitra fa ny tena ihany no hamaha na hanapaka ny gadra mamatotra ny tena. Azo atao ny manatona ilay olom-boahosotra, ny any am-piangonana no tsara indrindra. Raha tsy afaka manadeha any anefa, mety ihany koa ny manatanteraka ny asa any an-tokantrano. Azo atao ihany koa amin’ny alalan’ny finoana, ny manao ny asa “à distance”, amin’ny alalan’ny finday, na”skype”…araka ny tenin’I Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.

    Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany” (Matio 18: 18, 19).

    Toy izao ny fanafahana na ny delivrance izay atao, aorian’ny vavaka izay ataon’ilay afahana sy ny mpanompon’Andriamanitra mandroaka ny devoly:

    Ny fanahy manambady no roahina voalohany amin’ny anaran’I

     

    Tsara marihina fa ny fanahy manambady dia mitarika devoly hafa ihany koa raha tiany. Ny tena akaiky azy sy miara-miasa aminy matetika, dia ny Rao-dia sy ny Fandika, ny devoly kalanoro, ny vazimba, ary ny zazavavindrano, izay mbola ho hitantsika ihany amin’ny manaraka!

     

    Ao anatin’ny telo andro no anatanterahana izany asa izany!

    Jesosy avy any Nazareta. Eo amin’ny tandrifin’ny taovam-pananahana, eo amin’ny lehilahy na eo amin’ny vehivavy no misy azy. Amin’ny alalan’ny afon’I Jehovah no andevonana mihitsy ilay fanahy ratsy, satria “Andriamanitra dia afo mandevona” (Hebreo 12: 29). Miteny hoe: “Amin’ny anaran’I Jesosy avy any Nazareta; Ilay Tompon’ny fahefana hatrany an-danitra ka hatrety an-tany, no andevonana amin’ny alalan’ny afon’I Jehovah ny fanahy manambady, tsy manana fahefana na dia kely akory aza amin’izoa mpanompon’Andriamanitra izao mandrakizay, potika sy levona ny fanahin’ny fahavetavetana sy fijangajangana fa tsy manan-kery mandrakizay mandrakizay

    3) Ny fanapahana ozona:

    Ny fahotana dia miteraka ozona, araka oa, araka izay efa hitantska, noho iznay, rehefa avy nibebaka sy niasàna, dia tokony hatao ny fanapahana ozona!

     

    4) Ny fanadiovana trano: 

    Ilaina ihany koa diovina amin'ny anaran'i Jesosy ny trano, mba tsy hitoeran'ny fanahy ratsy amin'ny trano fonenanan!

     

    Raha misy fanontaniana na olana dia antsoy ny 033 12 552 28 na manoratra amin'ny Mail: jeanaimesravo@yahoo.fr

     

                                                                                         PROPHETE JEAN AIME

     

     

 

29 votes. Moyenne 1.72 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site