ALA FADY

 

KABARY AM-PANAMBADIANA

ALA FADY

Tompokolahy sy tompokovavy, raha vita ny arahaba sy ny fisaorana, nahazo ny haja ny isan-tokony ary heniky ny voninahitra ny isan-tsokajiny, dia hiroso aho amin’ny dinika manaraka, raha sitrakareo.

Ny akoho hono tompoko no maty, tenieranan’ny mpivady, ny nahandro no masaka tsikombakomban’ny afo sy ny vilany, ary ny fanambadiana no tanteraka, tenieranan’ny mpianakavy. Mpianakavy, izay tahaka ny sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy. Tsy misy azo odian-tsy hita na sanatria tsy hananana hena-maso, tsy ho sahisahy foana tahaka ny mpanimbin-kena aho, ka haka tsy miera eo imason’ny tompony,  na hisosososo toy ny vinanto tsy mahare fosa, na sanatria hanararaotra tahaka ny banga mihomehy alina, na hanao hitsin-dalana toy ny bisikileta tsy misy frein,  hananaonao foana toy ilay miasa jamba rafozana, ka hiteniteny foana eo imasom-bahiny, na tsy hifidy vava avoaka eo anatrehan’ny mpitsara. Hiteny aho tompokolahy, hivolana aho tompokovavy, fanambadiana no ho resahina, ka tsy mety ny manao donak’afon’Analakely, ka tonga dia any am-bovonana,  hanitsaka ny mandry,  hanoto ny mifoha, ka hanao tsinontsinona ny voninahitrareo. Ianareo ray aman-dreny izao no loharano tsy azo lotoina, lehibe tsy salovanina, raha mipetraka ianareo tompoko atao mbay lalana, raha mitsangana torahina ny salohy fito, ary raha matory tsy dikaina. Koa anaovana azafady aminareo ny teny izay ambara, , aladina injato, aladina inarivo, fa ity moa no tonga amin’ilay fitenenana hoe: mpianadahy mita rano ka henatra ifanakonana, dinidinim_panambadiana ka vahavahako tsara toy ny vahy mba tsy hisaringotra, ary tandremana tsara toy ny rano mba tsy hitobaka. Fa teny maro hono tompoko, tsy hilaozan’ota, ary ny lela ihany koa toy ny rano an-tanimbary, ka arakaraka ny amadibadihana  no mandoto azy.

Eo koa ianareo anadahin-jaza, tsy azo odian-tsy hita toy ny tono-vomanga vory vahoaka, fa raha nisakana ianareo, tsy ary razazavavy, ary raha nitsivalana ianareo, sadaikatra ny ray aman-dreny. Hiteny eto anatrehanareo, ka aladina ny teny ambara, ho feheziko amin’ny alafady tsy hiparitaka, ary ho takonako amin’ny sikina tsy hahamenatr’olona. . Nefa sanatria ianareo tsy soavaly ka hotapena-maso, na sanatria rindrina ka ho tsetsenam-potaka, fa olombelona ianareo manana ny haja sy ny voninahitra,

fa ho salorana lamba hianareo hikabary, ary omena sikina handihy, ho tolorana ny ala fady ho tako-kenatra sy ho fanomezam-boninhitra amin’izao dinidiniky ny mpianakavy izao. Koa trarantitra aza marofy tompoko!

 

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

18 votes. Moyenne 2.44 sur 5.

Commentaires (70)

1. RoachDarla35 (site web) 02/04/2012

According to my own analysis, thousands of persons in the world get the <a href="http://goodfinance-blog.com/topics/mortgage-loans">mortgage loans</a> from well known banks. Thus, there's a good possibility to find a consolidation loan in all countries.

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site