Valim-pangatahana

KABARY AM-PANAMBADIANA

 

VALIM-PANGATAHANA

 

Tompokolahy sy tompokovavy, avo hono ny lanitra ka tsy takatra, lalina ny ranomasina ka tsy voarefy, ary ny hafalianay koa dia tsy omby tratra, noho ny andro androany, izay andro iray toa zato, satria nitady toko izahay ka sendra vato, noana ka tojo Havana, ary nitady vady ka sendra ny sahaza. Manan-jara hono Manjakamiadana onenan’ny mpanajaka, manam-bintana Imamo anirian’ny tapia, fa ravo sy faly kosa izahay, indrindra Andriamatokely zato, fa raha nandodona hono novohana,  raha nangataka dia nomena, ary nitady dia nahita. Masa-bary maito kitoza izahay fianakaviana, satria ny tianay no tiany, ary heniky ny soa sy ny manan-jara isika mianakavy ankehitriny,  satria te-hitotorebika isika ka sendra dobok’aponga, ela nisavasavàna ny raviny isika ka sendra ny fotony, ary tojo amin’ny lalana tokony hivoahana, nifanandrify amin’ny vavahady tokony hidirana. Koa fisaorana sy fankatelemana tokoa no asetrinay anareo tompoko, fa ianareo izao no voankazo mora takarina, rano tsy sarotra alaina, ary mpamoaka tsy mba sarotiny. 

Mendrika ho anareo tompoko ny sitraka, antonona anareo ny saotra, satria izay nataonareo taminay izao, na ny fandraisana, na ny valiteny, dia tahaka ny vary sy ronono tondrahan-tantely, ka tafaraka ny mamy sy ny matsiro, sitraka enti-matory, ka ho valiana raha mahatsiaro.

Ny fanomezana nomenareo anay, tompoko, dia zava-dehibe aminay tokoa, satria raha lamba no natolotrareo, mety rovitra, raha vola mora lany, fa olombelona kosa, ilay nokolokoloina sy nihantahantàna, tsy zaza tsy omby trano na nahitana angano, ka satry hendeha zao dia zao, tsia, fa ilay sady kilalao no harena, tsy atakalo na amidy vola, nefa foinareo tanana, foinareo tongotra, koa dia misaotra sy mankatelina anareo izahay.

16 votes. Moyenne 3.56 sur 5.

Commentaires (3)

1. web site optimization (site web) 25/10/2012

Lovely tajam posting. Tidak pernah berfikir bahawa itu adalah ini mudah. Extolment untuk anda!

Voir plus de commentaires
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site